Edito

Seza fa tsy andraikitra


  • Alatsinainy 02 Mey 2016

Averina eto indray ny fanontaniana : moa ve mahafantatra tsara ny zava-misy rehetra eto amin’ny firenena ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana ? Raha sanatria Tsia ny valiny dia aleo miala fa tsy mahavita azy izany.


Raha Eny, nahoana no midororororo ? Im-piry no nitaterana an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery io gaboraraky ny fitaterana io, ny kolikoly misy ataon’ny mpitandro ny filaminana eny an-dalana rehetra eny, fa ny valin-teny azo dia ny hoe :efa miezaka izahay fa tsy mora anie ny manao zavatra e ! Izao olona 12 no indray maty tao anatin’ny ora vitsy vao may volon-tratra eraky ny lapa. An’Andriamanitra ny aina, izy no nanome ary izy koa no maka fa na izany aza mazava anie ilay voambolana tena malagasy hoe : « tompon’andraikitra ». Misy tompon’andraikitra ve eto sa tompona seza no betsaka ? Efa malaza hatry ny ela fa betsaka ny afera eny amin’ny fitsarana fiara, eny amin’ny fakana “permis” sy ny fahazoana “licence” ho an’ny mpitatitra, fa navela tamin’izao. Misy aza taksibe fantatra tsara izao fa polisy na zandary na olona manampahefana ny tompony, dia be vava be ireo mpamily sy resevera rehefa voasakana fa hoe henjana, hono, ny patron. Fitsapana goavana ho an’ny fitondrana ity resaka fitaterana ity ka raha manondrana eo kosa dia mety ho hafahafa ny raharaha a !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT