Seraseram-barotra

Ekena fa mpandraharaha ny


  • Alarobia 06 Desambra 2023

filoham-pirenena namarana ny 5 taona vita teo sy ny nolazain’ny HCC

fa mbola lany ho an’ny 5 taona manaraka fanindroany indray. Efa 5 taona nitantanana tetezamita koa moa izy ary mbola olony ihany no nitondra ny firenena taorian’izay, izany hoe, 2009 no nankaty, 14 taona, fitantanan’ny mpandraharaha ny firenena no nibahana ny androtokon’ny fiainam-pirenena teto Madagasikara. Nankalazaina foana ny hoe serasera no fototry ny fitantanana ary dia tena serasera tokoa moa izany ka serasera. Serasera nitondra soa ho an’ilay vahoaka malagasy ve nefa sa serasera an-tsary na seraseram-barotra amin’ilay antsoin’ny vahiny hoe “marketing”? Mankany Dobay dia misambotsambotra izay olon-dehibe tsara iarahana maka sary rehetra ity, izany ve izany ilay serasera, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Serge Zafimahova, izay? Dia ho fitahana amin’izany foana tokoa ve izany ilay vahoaka malagasy? Rehefa jerena ny sary rehetra aely etsy sy eroa dia toy ireny manga dia manga ireny ery ny fifandraisan’ilay firenena amin’ireo sehatra iraisampirenena nefa rehefa miresaka ny momba izany antsoina hoe Madagasikara izany izy ireo androany dia faha 124 amin’ny firenena miisa 125 amin’ny ady amin’ny hanohanana no henony, izany hoe firenena faha 2 manana vahoaka noana indrindra eto ambonin’ny tany. Firenena farany mahantra. Mbola ho tohizana 5 taona indray ve ny toy izany? Mahagaga ihany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT