Edito

Serasera misarisary


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Maha lasa saina ankehitriny ny tranga mivoy amin’ny haino aman-jery sy miteraka resabe eny amin’ny tambazotran-tserasera eny raha ny raharaham-pirenena Malagasy no asian-teny.


Azo lazaina ho nanamarika ny herinandro ny taratasy nanoherana ny fanapahan-kevitry ny frantsay mikasika ireo nosy manodidina an’i Madagasikara izay antsoina ihany koa moa hoe “Nosy Malagasy” mba ho “firaisam-po” amin’ny tolona atao hamerenan’ny frantsay izany amin’ny fanjakana Malagasy. Toy ny fisehony tao anatin’ny 2 taona anefa dia tsikaritra ho toy ny indray mitsipalotra hatrany ity resaka ity, indrindra, rehefa misy sedra heverina ho mafimafy lalovan’ny fitondrana. Mafampana tsinona io izao ny resaka paositra Malagasy. Tamin’izany fotoana moa nisy ny resaka “Bonbon sucette” sy “écran plat”, ohatra. Hita ho nibahan-toerana nanankona azy ny hetsiketsika fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena mihitsy nandamina ny resaka vatsy tsinjo sy tosika fameno hatreny anivon’ireo fokontany. Tsaroana tsara iny sary somary misabaka eo anivona fiara tsy mataho-dalana miisa 2 mifanila iny. Sary izany ka sary ary nanamarika ny masona Malagasy maro izay mbola azo heverina hoe olon’ny fo sy mora taitra amina serasera mampiasa sary toy ireny, mba tsy hilazana hoe serasera misarisary toy izay efa kolontsaina nanabeazan’izao fitondrana izao ny fiarahamonina Malagasy tao anatin’ny tetezamita nentiny sy ny repoblika tantaniny ankehitriny. Mamiratra io ny kianja Barea, hoy ny famerimberin’ny maro. Mirentirenty ny hopitaly manara-penitra sy kianja manara-penitra hafa. Azo lazaina hoe maro ny fotodrafitrasa mahasarika ny maso na dia mbola mampametra-panontaniana foana aza ny fahatomombanana na tsy fahatomombanan’ny fotodrafitr’olona sy fitaovana anatin’izy ireny. Ny hita aloha maneho sary toy ny milaza izy ireny fa tena miasa ny fitondrana saingy mbola mipetraka sy mila valiana ary vahana foana ny fanontaniana hoe misy fiantraikany anaty vilanin’ny vahoaka ve? Manatsara ny fiainany ve sa mijanona ho serasera misarisary fotsiny ihany? Fa maninona koa no mbola tsy mety tapitra foana ity resaka horonantsary momba ny any atsimo ity fa tsy mba ny serasera maneho ilay vahaolana mahomby sy maharitra ho azy ireo avy amin’ny fanjakana no misongadina raha tena misy izany marina ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT