Tena manana andraikitra goavana amin’ny fiainam-pirenena ny serasera sy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
Tsikaritra anefa tato ho ato fa tena nahazo fanakianana mavaivay avy amin’ny olona ny mpanao gazety sy ny fomba fanaovana gazety amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Henjankenjana ny lahatsoratra an-gazety sy ny famakafakana amina onjampeo sasany, indrindra fa ny eto an-drenivohitra, hany ka maro ny olona tsy tia, na sosotra na tsy mahatanty izany. Marihana anefa fa tsy natao hahatezitra na hamalifaly olona, na vondrona politika, na fikambanana etsy sy eroa ny vaovao avoaka, fa izay misy sy mitranga no tantaraina. Misy endriny maro ny fanaovan-gazety. Tsy voatery hitantara sy hampita ny zava-mitranga fotsiny ny mpanao gazety fa afaka mamakafaka, manadihady, mandalina, mitsikera ary manome soso-kevitra. Azo atao tsara koa ny mampiresaka vahiny, na olon-tsotra io na mpanao politika na mpanohitra na mpitondra na mpitondra fivavahana sy izay rehetra vonona haneho hevitra, amin’ny lafin-javatra maro. Tsy maintsy atao araka ny lalàna misy mifehy ny serasera sy ny fifandraisana anefa izany, ary tsy mandika ihany koa ny fehezan-dalàna famaizana misy eto Madagasikara. Tsy mpitsara, na polisy ny mpanao gazety satria mijanona eo amin’ny fanadihadiana sy ny famoahana ny vaovao ary ny fanairana ny tomponandraikitra ny asany. Tsy afaka misambotra na managadra olona izy, ary tsy tokony hanendrikendrika olona noho ny tondromolotra na ny siosion-dresaka fotsiny.
Lehibe sy makadiry ny asa aman’andraikitry ny mpanao gazety, indrindra fa ireo izay mikirakira politika, satria haingana be ny fielin’ny vaovao amin’izao efa maha raitra ny teknôlôjian’ny fifandraisana izao, ka noho izany mety olona an’alina no mandre sy mahita vaovao iray ao anatin’ny minitra vitsy. Koa raha sanatria diso ny vaovao na tsy voahevitra tsara ny fomba nanambarana azy dia mety hiteraka savorovoro any anaty fiarahamonina any ; ary handiso ihany koa ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ny tomponandraikitra sasany. Ekena fa misy ny fianarana momba ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, saingy tsy midika velively izany fa izay rehetra miditra, na nandalo tamin’ireny ivontoeram-panofanana ireny dia hahavita an-tsakany sy an-davany ny asa fanaovan-gazety, satria azo raisina ho tahaka ny kanto mitaky fanomezam-pahasoavana sy aingam-panahy ny fanaovan-gazety sy ny asan-tserasera, rehefa tena dinihana lalina, izany hoe tsy ny olona rehetra no mahay sy mahafehy azy.
Na eto Madagasikara na any amin’ny firenen-kafa dia azo atao fitaovana politika ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety, ary tena manana ny anjara toerany mihitsy ao anatin’izany hoe fitantanana ny firenena izany, afaka mampiasa azy ny mpitondra, mahay milalao azy koa ny mpanohitra, ary manana ny fomba hahazoany tombontsoa aminy koa ny mpivarotra. Na ahoana na ahoana kosa anefa ambara dia misy soatoavina tsy maintsy arahana amin’ity asa ity, fa tsy hoe rehefa manam-bava sy mahay manoratra dia hanao izay tiany eo daholo, na dia mety efa mirediredy sy miteniteny foana aza.
Tsy fampitana vaovao fotsiny mantsy no atao fa fanabeazana ny olom-pirenena ihany koa, ka raha ny mpanao gazety tokony hanabe indray no tsy mahafehy tena fa manao tora-po sy mandany andro mifanasa vangy, na hampiady ny mpiraimonina dia hikorontana isika mianakavy. Tsara ny fikasana handamina sy hanara-maso ny asa fanaovan-gazety, fa tokony tsy hisy fitanilana mihitsy izany. Mahalala tsara ny maha saropady io asa io ny minisitry ny serasera, izay mpanao gazety nandritra ny taona maro, ka antenaina fa hahita ny vahaolana tena mahomby izy, fa tsy hanaiky hataon’ny mpitondra fitaovana hanapenam-bava ireo izay tsy mitovy hevitra aminy sy mahasahy mamaky bantsilana ny gaboraraka ataon’ny mpitondra ambony sasany amin’ny fitantanana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.