Sempotry ny fampanantenana!

Teny anaty Baiboly moa ny hoe tsy ho foana ny fanantenanao raha


  • Alarobia 30 Aprily 2025

mbola hisy koa ny farany na dia manadroadro aza ny oham-pitenenana frantsay

fa ireo tsy misaina no miaina amin’ny fanantenana. Atao ahoana tokoa nefa no hiaina tsy misy izany fanantenana izany na hanohy hiaina ihany nefa tsy hanantena na inona na inona? Tsy efa naman’ny maty am-pitsanganana ihany ve izany? Tsetsatsetsa tsy aritra iny entina ilazàna, na izany na tsy izany, fa ny zava-drehetra koa nefa rehefa be loatra dia manimba, mbola araka ny voalazan-drizareo vahiny ihany hoe «Tout excès est nuisible!». Madagasikara hatramin’izay dia niaraha-nahita sy nahalala fa notontofan’ireo mpitondrany fampanantenana ary tsy nety tafavoaka tao anatin’ny fahantrana. Ankehitriny, io iaraha-mahita io, vao mainka sempotry ny fampanantenana! Nampanantenaina teto hatramin’ny hoe ambolena hatramin’ny «Coton de Tuléar». Nampanantenaina ny «puce» ho an’ny omby. Ny voangory vy na «drone» hanenjehana dahalo. Nofehezina tamin’ny hoe ho vitaina anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy hita tao anatin’ny 60 taona. Vita iny ilay 5 taona. Efa hisasaka ny 5 taona fanindroany. Farany mahantra eto ambonin’ny tany ny firenena malagasy, araka ny maridrefy iraisan’izao tontolo izao. Maridrefy izay ny filoham-pirenentsika irery sy ny ekipany ihany no mandà izany nefa moa ka asa angamba izy ireo na efa afa-po ka sahy milaza hoe efa sambatra izao vahoaka malagasy izao na dia mahantra aza. Tsy mahalala ny zava-misy marina ve sa tsy mahita intsony izay tokony atao fa dia sempotry ny fampanantenana aloha isika amin’izao fotoana izao!? Io izao dia ampanantenaina indray hoe matotra ny resaka momba ireo nosy manodidina amin’ny 30 jona. Aiza nefa ilay hoe raha tsy azo tamin’ny taona 2019 dia tsy ho azo intsony? Matotra ireny sa tsia?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT