Edito

Sempotry ny fahantrana e !


  • Talata 07 Jona 2016

Miezaka manao serasera ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy mba handresen-dahatra ny rehetra fa hoe voafehin’izy ireo ny toe-draharaha eto amin’ny firenena.


 Mety mba fisehosehoana ivelany ihany koa ilazana fa olon’ny fifampiresahana sy ny fifanomezan-tanana izy ireo. Ekena fa tsy vao izao no sahirana i Madagasikara, ary vao miha tena sahirana rehefa tonga ny fanonganam-panjakana sy ny fitantanana dangodango nandritra ny tetezamita. Niseho nilay, araka ny fomba fiteny ny fitondrana HVM rehefa nahazo fahefana fa hoe hitondra Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Indrisy anefa fa kabary no betsaka, tena vao miha nahantra ny Malagasy e ! Tsy misy afaka milaza ny mifanohitra amin’izay, noho ilay fizahozahoan’ny mpitondra ny repoblika faha-4 dia nihombo ny aretina, ka efa  miala aina ve vao mody miantso fifanomezan-tanana. Izay no azo hanaporofoana ny fomba fisainana maramaran’ireto mpitondra antsika ankehitriny ireto. Tsy ho tahaka izao ny toe-draharaha raha tamin’ny 2014 dia efa nahay nifampiresaka tamin’ny ankolafin-kery rehetra ny filoha Rajaonarimampianina sy ireo mpiara-miasa aminy. Tena hahavitan-javatra goavana izany roa taona izany. Aiza ho aiza izao ny Jirama, ny Air Madagascar ? Tahaka ny ahoana ny fitaintainan’ny malagasy noho ny asan-jiolahy ? Firifiry izay ny harem-pirenena navoaka an-tsokosoko any ivelany ? Tahaka ny ahoana ny tany lasan’ny vahiny teto tato anatin’ny 2 taona ? Sempotry ny vidim-piainana midangana ny Malagasy, sempotry ny lainga sy ny fitaka ihany koa, dia mbola sahy mampiesona ihany anefa ny sasany !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT