Edito

Sempotra tanteraka


  • Zoma 25 Septambra 2015

Nametraka fepetra hentitra amin’i Madagasikara ho tambin’ny fahazoany fampindramam-bola ny tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ka tafiditra ao anatin’izany ny fanafoanana ny vola fanentsenan’ny fanjakana ny banga amin’ny vidin-tsolika na ny « subvention »

 

. Hihatra manomboka amin’ny volana oktobra noho izany ny vidin-tsolika tena izy eto amintsika, izay midika fa hiakatra ny vidin’ny solika. Etsy an-kilan’izay dia latsaka ambany dia ambany ny tahirina vola vahiny ao amin’ny banky foibe, ary tena marary ny vola malagasy. Tsapa ho miantraika mafy amin’izay ankehitriny ny krizy noho ny fanonganam-panjakana ary voaporofo fa fanapotehana ny firenena no natao teto nanomboka tamin’ny 2009. Nihinana ny harem-pirenena sy ny tahirina vola vahiny nananan’i Madagasikara no nataon’ny fitondrana tetezamita. Henjana ny fanarenana ary hita ho tena sempotra ny fitondram-panjakana. Ho raharaha ny hitranga eto afaka 3 volana raha tsy manana paikady matotra ireo mpitantana satria ny vidim-piainana dia tsy maintsy hisondrotra, ny volam-panjakana hihena, hanampy trotraka ny fahatongavan’ny orana ary dia tsy ho azo aleha ny ankamaroan’ny lalana eto Madagasikara. Mitohy ny krizy e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT