Edito

Seho ivelany, seho ivelany…!!


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Mihetsiketsika daholo amin’izao fotoana ireo malaza ho hery velona sangany rehetra amin’ny fifidianana efa akaiky.

 Eo ny vaomiera hankalazaina ho mahaleotena izay miseho ho manao ny anjarany amin’ny fitetezam-paritra sy fampiofanana isan-karazany. Ireo olom-pirenena isan-tsokajiny tokoa ve no efa mba manomboka mahazo ny anjarany amin’ny fanabeazana ara-pifidianana ataon’izy ireo sa ireo “solontenan’ireo olom-pirenena” voalaza teo hatramin’ny farany ? Raha ny seho ivelany aloha no azo atao ho antoka dia tena efa to toy izay ilay voalazan’ny tononkiram-pirenentsika hoe “hiadana sy ho finaritra”. Saingy ny bainga voavadika ihany no manamarina ny ezaka natao ka na hirentirenty sy hamirapiratra tahaka ny inona aza ny fihetsiketsehana etsy sy eroa dia tsy hisy takona izay tsy ho hita izany eo na marina tsy hiseho. Tsy maintsy hijolofotra hatrany rehefa kitoatoa na tandrametaka ny tetikasa. Seho ivelany atsy, seho ivelany aroa. Ny hirariana dia ny hoe enga anie mba tsy hiverina intsony ny tantara taloha toy ireny lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny karnem-pokontany ireny. Mety tsy miova ny rafitra sy ny olombelona saingy hirariana koa mba tsy ho diso fanantenana izay manantena fa niova ho amin’ny tsara lavitra kokoa ny toe-tsain’ireo mpitarika rehetra. “Am-bava homana. Am-po mieritreritra.”

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT