Samy resy lahatra ny rehetra ankehitriny fa tompondakan'ny fihetsiketsehana sy ny seho ivelany ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina raha ny zava-nitranga tato anatin'ny herinandro no jerena, ary voaporofo fa olon'ny serasera izy.
Andeha atomboka tamin'ny diany tany Frantsa ny fitanisana ireo tranga nahitana taratra izany. Efa ho isan'andro no nalefa tamin'ny TVM ny sary sy feo mirakitra ny zava-nataon'Atoa Andry Rajoelina tany Frantsa. Tsy adino ny nivahiny tamina fahitalavitra vahiny tahaka ny France 24 sy ny TV5 Monde. Mbola nitafa tamina mpanao gazety vahiny maromaro tao amin'ny hotely nipetrahany ihany koa izy. Tsy ambanin'izany ny fiverenany teny Ivato, ka nilazany fa hanampy sy hanohana antsika i Frantsa, tsy maintsy hita ny vahaolana ary tsy hita izay maharatsy ny hanao fety ny alahady 11 desambra tsingerintaona voalohan'ny Repoblika faha 4, na dia sahirana aza ny firenena. Ary dia fety aman-danonana tokoa tamin’ny alahady io, ho an'ireo mpitondra ambony sasany, satria nisy ny tsy nanatrika sy ireo mpiara-dia amin'izy ireo. Nianjaika tahaka ny mpanjaka fahiny Atoa Rajoelina, toraka izany Ramatoa vadiny. Nisafidy manokana ny hitsidika ny lapan'i Manjakamiadana izy ary nanao fanambarana ofisialy fa hanomboka indray ny fanamboarana ity vakoka ity. Dia raikitra ny fety sy ny afomanga.
Tsy nisy resaka anefa ny momba ilay satroboninahitry ny mpanjaka nisy nangalatra, herinandro mahery kely lasa izay. Niandry an'io anefa ny maro, indrindra fa ny zanak'Antananarivo, izay saro-piaro amin'ny kolontsainy sy ny zavatra ao aminy. Tsy nisy ihany koa fanomezan-toky avy amin'ny filohan'ny tetezamita, izay filoham-panjakana ny amin'ny tsy maintsy hahitana io satroboninahitra manana lanja ara-kolontsaina goavana amin'ny firenena io. Maromaro tamin'ireo zanak'Antananarivo ihany koa no somary tohina ihany noho ity fihetsiketsehan'ny filohan'ny tetezamita niakatra teny Anatirova ity.
Dia manaiky ny hanaovana fety aman-danonana avy eo, kanefa ny momba an'ilay satroboninahitra aza tsy hita akory izay tena marina. Ekena fa efa misy ny olona nampidirina am-ponja vonjimaika momba ity raharaha ity, fa moa ve efa fantatra ny atidoha niketrika ilay halatra sy ny toerana misy ilay satroboninahitra ? Mbola ilay vatabeny ve no any, sa efa voarendrika ilay izy ? Mbola seho ivelany tahaka izany ihany koa ny filokalokana fa tsara ho antsika ilay fanambaran'ny Vondrona Eoropeanina farany teo milaza ny mety hiverenan'ny famatsiam-bola amin'izay sy ny filazana fa afaka hiverina eo anivon'ny Vondrona Afrikanina amin'izay i Madagasikara taorian'ny fivorian'ny CPS sy ny GIC-M tany Addis Abeba. Efa fantatry ny mpitondra tetezamita tsara anefa fa vita fifidianana ka misy filoham-pirenena lanim-bahoaka vao miatomboka ny fifampiraharahana amin'ny famerenana indray ny famatsiam-bola. Tsara ny fahaizana sy fifehezana ny serasera, saingy tsy tokony hataon'ny mpitondra fitaovana hametsifetsena ny vahoaka kosa izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.