Edito

Seho ivelany


  • Alakamisy 25 Jona 2015

Somebiseby ny eny an-tsena, ny eny an-dalambe herinandro mialoha ny fetim-pirenena. Midika ho fety asaramanitra fanaovana korana, fihaonan’ny fianakaviana koa mantsy ny 26 jona ho an’ny Malagasy.

 


Ao ireo mamonjy ny any ambanivohitra mitsidika ny ray aman-dreny sy ireo havana aman-tsakaiza, ao ny mikarakara fiaraha-misakafo, misy ny somary mivoaka kely ny tanàn-dehibe mba miova rivotra fa efa reraky ny rotorotom-piainana. Maro azo isafidianana ny fety aman-danonana, ny fitondram-panjakana rahateo dia manomana Podium handraisan’ireo mpanakanto fanta-daza anjara, maimaimpoana io koa dia samy maka izay tandrify azy ny tsirairay. Feno hipoka ireo toeram-pisotroana sy toeram-pisakafoanana, ary misy koa ny olona efa nihevitra fa handeha hijery matso rahampitso. Azo ambara ho fihetsiketsehana ivelany avokoa izany rehetra izany, fa mba ahoana kosa ary ny any am-pon’ny tsirairay avy any ? Midika inona ny 26 jona ? Inona no atao hoe fahaleovantena ? Nahoana no mifety rehefa tonga io daty io ? Mbola voambolana miraikitra ao an-doha sy ao am-pon’ny Malagasy ve ny hoe fiandrianam-pirenena, fitiavan-tanindrazana ? Sa teny firesadresaka rehefa hiady hevitra fotsiny sisa ? Mbola manjaka eto amintsika ny vahiny, mahay mifanampy sy mifanavotra izy ireo fa ny malagasy kosa dia indrisy fa mifanenjika, mifampiantsy, mifanakora, mifanebaka, mifamaly faty, mifampiandry kendritohana. Tsy handroso mihitsy i Madagasikara raha tsy mahay miray hina sy manana foto-kevitra matanjaka ijoroana sy ifanohanana ramalagasy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT