maintsy mandalo sedra!»,
hoy ny tononkira iray izay saingy ho an’ny atao hoe vahoaka malagasy aloha izany hatreto dia mbola miaina hatrany anatin’izany antsoina hoe sedra izany avokoa na ireo vahoaka voasokajin’ny fiarahamonina, na mpanara-baovao ihany koa, ho mbola valalabemandry sy tsy mandady harona na ireo heverina ho efa mahatsapa ny tenany ho olompirenena miezaka mandray ny andraikitra tandrify azy anatin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Nadoboka tanatina sedra vaovao isika hatramin’izay fotoana nasaina nivadihantsika tanatin’ny antsoina hoe repoblika izay. Repoblika miisa 4 nifandimby, samy tsy nisy nahitàm-bokany. Miandry fikaonandoha moa ankehitriny ireo herivelona. Ao anatin’izany rehetra izany anefa dia efa mandeha ny karazana fivoriana etsy sy eroa na koa adihevitra mikasika ny hoe inona ary izany no ho atao? Hiverina anatina fitondràna mpanjaka ve? Ao ny manolo-kevitra ny amin’ny hoe tokony ravàna amin’izay ny lalàmpanorenana farany teo idirana amin’ny repoblika faha 5. Misy koa ny manaiky izay fandravàna ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 izay saingy milaza kosa hoe aoka izay ny repoblika sadasada nolovaina tamin’ny frantsay fa andao hanorina ny repoblikantsika mihitsy dia ny antsoina hoe «Repoblika malagasy» na koa «Repoblikan’i Madagasikara»! Eo izany isika izao. Hatreto, hita ho tsy moramora amin’ny mpanapa-kevitra sy mpanao politika malagasy ny hanova na dia notakian’ny tolona nisy teto amin’ny firenena farany teo aza ny antsoina hoe fanovàna. Aleo isika aloha hanavao, hoy ny rafitra misy, dia mijoro io ny antsoina hoe fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika! Ny fehin’ny fanontaniana rehetra nipetraka hatramin’izay nefa izany, raha ny raharaham-pirenena momba an’i Madagasikara no resahina, dia ny hoe ahoana no ahatongavana amin’ny tena antsoina hoe «fahaleovantena tanteraka» na «fahaleovantena tena izy» ho an’ity Madagasikara ity? Izay izany izao no fototr’ity sedra andalovantsika malagasy ity. Raha tena tiana ho afaka sy afa-mandroso marina izany ny firenena dia mila hita aloha ny valin’izay fanontaniana fototra izay ary izay ihany koa no iaingàna amahana ny olana rehetra avy eo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.