Edito

Savorovoro hilantoan’iza ?


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Efa tamin’ny volana aogositra no nahiahiana ny fisiana trangan’aretina pesta teto amintsika, ho an’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fahasalamana.

Ny mahagaga dia maninona no efa aty amin’ny volana septambra vao nambara izany ary dia io mitohy mampisavorovoro ny tany ama-monina mandraka ankehitriny io ? Tsy eo amin’izay resaka fahasalamana izay ihany fa toa zaran’ny minisitra sy mpanao politika sasany sy izay rehetra afaka maneho hevitra amin’ny haino aman-jery izany koa aza ny nivorahan’ilay resaka fandraisana mpitsoa-ponenana eny Ambohimangakely ka dia lasa rirotina tahaka ireny kitoza ratsy fahamasahana ireny ilay izy. Ankehitriny moa dia teraka indray ny resaka fikitihana lalàm-panorenana mialoha ny fifidianana ary dia samy mody fanina manao manaiky tsy manaiky eo daholo ny rehetra. Toa efa samy mahalala izany daholo anefa ny rehetra. Efa ela mantsy ireo natao hihaino ny soso-kevitra sy fitarainana no nanampin-tsofina. Fambolena savorovoro mialoha ny fifidianana ve no manomboka mitranga taorian’ny raharaha maro samihafa toa an-dRazaimamonjy sy ny tariny ? Savorovoro hilantoan’iza anefa ?

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT