izao izany ny heverina hoe savaravina sy
savalalana itarihan’ny fitondràm-panjakàna ankehitriny ny vahoaka malagasy hahafahana miroso mankany amin’ilay antsoina hoe fanovàna izao firenena nampahatsiahiviny fa tao anatin’ny fahapotehana izao no nandraisany azy. Tsy maintsy ovaina tokoa aloha izany na tiantsika na tsy tiantsika. Mazava ho azy ihany koa fa tsy maintsy mila fanarenana na fanamboarana mihitsy izany hoe potika izany. Miseho ny endrika samihafa hanehoan’ilay fitondràna, ary izay rahateo moa izao no misongadina indrindra, ny antsoina hoe ady amin’ny tsimatimanota. Tsy misy sahy hilaza kosa angamba hoe tsy tokony atao izany! Izany mihitsy aza no inoana fa heverin’ny maro hoe efa tena ela no tokony nanaovana azy. Mandeha izy io. Maro ny fanohanana izany fa maro ihany koa ny tsikera mikasika ny hoe aiza ny sasany? Aiza ny famerenan’ireo nandroba izay nalainy teto amin’ity firenena ity fa angaha izy ity vitan’ny fanagadràna sy fifomponana fotsiny? Tsy vita ao anatin’ny 3 herinandro na 3 volana nefa izany fanovàna izany, hoy ny namana mpamakafaka politika namana izay. Faharavàna nitohivakana nandritry ny 16 taona fara faha keliny io ho arenina io. Mila esorina aloha ny omby mitondraka, hoy ilay mpitondra fivavahana izay tamin’ny fanoharana nampiasainy tanaty toriteniny. Miara-mametra-panontaniana ankehitriny isika mianakavy. Efa afaka tanteraka tokoa ve izay atao hoe omby mitondraka izay? Ho an’ireo izay nihaino izany toriteny izany moa no ipetrahan’izany fanontaniana izany indrindra. Heverina fa efa afaka mamaly ihany koa anefa ireo izay efa nanazavàna ny hevitr’izay fanoharana izay taty aoriana. Hatreto, savaravina sy savalalana aloha izany rehetra izany tao anatin’izao iray volana mahery kely izao! Inoana sy antenaina fa tsy ho ela ny fahafahan’ny olompirenena rehetra mandray anjara ao anatin’ilay antsoina hoe tena fanovàna.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.