Sasatry ny mamono afo sy manadio tena ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy vaovao intsony ny faharenesana sy fahavakiana bantsilan’ny toe-draharaha manaratsy endrika,
na manala baraka, na manozongozona ilay fitondrana mihitsy aza,… Mila ho isan-kerinandro no vaky ambatolampy ny raharaha hafahafa. Vao ny herinandro teo ny resaka fikasana hanome fitantanana ny valanjavaboaharin’I Tsimbazaza ho an’ny karana, izay aleo vantanina fa mbola miotrika ao iny, ary mety mbola handeha mangingina raha halalinina amin’ny fifanipahan-kevitr’I ny olobe roa tao amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, izay ny iray nilaza fa “nofoanana tanteraka”, ny iray niteny fa “eo am-pandinihana ary tsy mbola nanome valiny hatreto”. Tsy niandry ela, fa dia iny indray fa niporitsaka ny taratasy fitakiam-bolan’ny sinoa momba ny kianjan’I Mahamasina. Nikorapaka izay tsy izy ny manam-pahefana namono afo satria mahatsapa ho manana ny rariny, ary mety afaka niala bala aloha omaly. Ny mahagaga sy mahonena anefa dia ny hoe: nahoana no rehefa ny taratasin’ny sinoa no niparitaka, mailaka namaly sy nilaza ireo antony samihafa? Nolazaina fa efa vonona ao ny vola fa miandry asa vita sisa. Ny Malagasy anefa tamin’ny raharaha fanamboaran-dàlana efa 4 na 5 volana nigrevy sy mba nitaky ny volany, tao ny efa herintaona, misy ny efa mihoatra ny herintaona,… saingy nodiana bemarenina, toa miteny hoe: “misy mihaino?”, “misia maty ao”,… Ny mpandanja fiara 8 volana tsy nandray karama, ny mpiasan’ny CNAPMAD 6 volana tsy naharay karama,… Efa volana maro aty aoriana misy grevy mangotraka vao milaza misy ny vola, vao 38% amin’ny famoaham-bolam-panjakana no natao, mandeha izao fampandriana adrisa katsaka sy voanjobory rehetra izao,… Ny an’ny sinoa anefa lazaina fa efa vonona ao ny vola vao vita ny asa, ny an’ny Malagasy am-bolana sy an-taonany aty aoriana vao misy resaka. Izany ve dia mba rariny? Toa tsy misy zavatra tena mandeha ara-drariny sy araka ny tokony ho izy eto, fa miandry fitakiana am-pahatezerana vao mody hoe: efa mandeha ny vahaolana, ary ny sehatra maro io. Mba aiza ho aiza izao ilay tambin-karaman’ny mpampianatra FRAM nampanantenaina tamin’ny fidirana? Moa mba tanteraka ilay saram-pisoratana maimaimpoana? Ny mpitondra anefa tsy mitsy amin’ny fandaniana! Amina miliara ny nitondra olona 35 nakany amin’ny fivorian’ny “COP26” fa io mirehitra io Gasikara, lasa any amin’ny COMESA fa asa hoe: inona no mba vokatra nentiny tao anatin’ny naha filohan’io rafitra ara-barotra io azy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.