Edito

Sasatry ny mamono afo…


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Sahirana tanteraka ny fitondram-panjakana ankehitriny eo anatrehan’ny trangan-javatra manala baraka ny mpitondra.

 

 

Maro ny endrika tsy fahaiza-mitantana sy mandrindra, kolikoly sy kiantranoantrano, tsy fahafehezana ny fitantananan-draharaham-panjakana, fivoahan’ny tsiambaratelom-panjakana,… Ny eo tsy miravona, dia mipoitra indray ny raharaha hafa. Niainga tany amin’ny “panier garni” ho an’ny mpiasam-panjakana, bakalorea nisavoritaka, nitohy tamin’ny raharaha vatomamin’ny minisiteran’ny fanabeazana, ilay tsenambaro-panjakana nampiahiahy mitantina 8 miliara teo momba ny fanamboarana ny rova, ny raharaha fangatahana fanampiana nataon’ny minisitry ny fahasalamana,… dia io ihany koa fa miteraka ahiahy ny tsenambaro-panjakana mitentina 216 tapitrisa tao amin’ny CCO Covid-19. Misavoritaka tanteraka sy sasatry ny mamono afo ny fanjakana. Toa vitavita ho azy ireny afera ireny avy eo. Mby aiza, ohatra, ny tohin’ny raharaha “bonbons sucettes”? Isan’ny lokaloka nataon’ny Filoham-pirenena ny fahadiovan’ny tsenambaro-panjakana, kinanjo toa hararaotina ny hamehana ankehitriny. Maro ny fitakiana nataon’ny ankolafin-kery samihafa teto amin’ny firenena, saingy toa noraisina ho fankahalana bontolo. Isan’ny nihazakazahan’ny manam-pahefana ankehitriny ny mampisambotra sy manenjika ny mpitondra teo alohany ka tokony hipetraka ho filamatra izy ireo, saingy toa hafahafa ny zava-misy ao anaty fitondrana ankehitriny. Toa lany andro hamono afo sy hiady amin’ny mpanohitra, ka tsy misy zavatra tena mandeha amin’izay laoniny. Ny fampanantenana natao anefa betsaka no tsy vita, ary ny serasera atao toa efa fanomanana fifidianana manaraka sahady.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT