Edito

Sasanangy samihafa


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2016

Maro ireo Olomangam-pirenena izay nandalo tsy fahasalamana no sahirana sy tsy maintsy niantsoana sy iantsoana tolo-tanana hatrany hitsaboana azy ireo rehefa sendra marary mafy.

Ny ankamaroan’izy ireny dia mpanakanto, manam-pahaizana, mpanao gazety, sy mpahay raha maro samihafa efa samy nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena kanefa dia mahagaga fa na ny enti-manana hitsaboan’izy ireo tena aza dia saika nanahirana azy hatrany. Tsy mbola nisy kosa anefa, mpitondra fanjakana na depiote io na minisitra na hafa koa, narary mafy ka niantso tolo-tanana ho voin-kava mahatratra. Dia mbola mitohy amin’ilay adihevitra hoe : maninona ny mpitondra any amin’ny tany mandroso no somary manana bika manifinify avokoa amin’ny ankapobeny fa ny mpitondra antsika kosa dia saika nahazo takolaka sy hatoka rehefa nahazo fitondrana ? Betsaka, noho izany, ny fanontaniana azo apetraka manoloana ny zava-misy. Isan’izany ny hoe : mba mahalala menatra amin’ireo Vahoaka entiny ihany ve ireo mpitondra nohon’ny tsy mety matetika ataony sa efa tena mifanipaka tanteraka ny tontolo iainan’ireo Vahoaka mbola mahatsiaro ny tenany ho madinika sy ireo mpitondra izay efa miaina ao anatin’ny tombontsoa isan-karazany omena azy ireo isan’andro amin’ny alalan’ny volam-bahoaka ? Tsy mety ve raha hafamadika ny tombony omena ireo olomanga sy ireo mpitondra ?

Faralahimatoa  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT