Sasa-miandry ilay fampandrosoana!

4 taona mahery izay no lasa nahenoana hira


  • Alarobia 14 Febroary 2024

sesilany nentina nitety an’Antananarivo nanao hoe «

Antananarivo tsy maintsy mandroso, mandroso, mandroso!». Antananarivo nikorosofahana sy masison’ny fako sy loto tanteraka anefa ankehitriny no iaraha-miaina eto amin’ilay renivohitr’i Madagasikara. Antananarivo nikororoso, nikororoso, nikororoso! Nalaza koa 5 taona mahery kely izay ny «Ny tsy vita rehetra tao anatin’ny 60 taona dia ho vitaintsika anatin’ny 5 taona.». Vita ve izany ankehitriny ny fampahantrana farany nandeha mafy indrindra ilay firenena tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona? Faran’izay maha menatra, ho an’ny atao hoe tia tanindrazana marina, angamba, ny maheno izany hoe firenena farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny ny firenena misy ny tena, indrindra hoe tantanan’ny tena! Toy izany koa ny hoe firenena manana vahoaka noana indrindra eto ambonin’ny tany. Dia inona nefa moa no mbola zava-misy efa iainana sy mananontanina anatin’ilay firenena? Endrika fandaniam-bolam-bahoaka ahiana mifampitohitohy satria dia ireny niaraha-nahita ireny ny hoe delegasionina miisa 110 be izao no entina any Dobay. Ilay antenimieran-doholona nampanantenaina ho ravana satria hoe diso mihinam-bolam-bahoaka loatra mbola io ihany hatramin’izao. Rafitra vaovao indray dia izany sekreteram-panjakana miisa 11 be izao anaty fiadidiana ny repoblika izany indray aza no manangasanga nefa mbola rafitra tsy fahita manerana an’izao tontolo izao. Hanao ahoana indray izay ny famatsiam-bola izany rafitra izany, izay mbola vinaniana koa hoe hisy rantsa-mangaika samihafa ihany koa ao anatiny fa tsy hoe akory hijanona amin’izay ho 11 mianadahy ho voatendry eo fotsiny? Inoana fa samy sasa-miandry ilay fampandrosoana angamba isika fa tsy sanatria hoe sasa-miandry fandanindaniam-bola! Madagasikara tsy maintsy mandroso rahateo no nampanantenaina fa tsy sanatria vao mainka hoe Madagasikara tsy maintsy mikororoso!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT