Edito

Sasa-dahasa


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010


Mahazo mankany Nosy Be izay te hitsangantsangana, hoy i Andry Rajoelina raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny fihaonana manaraka karakarain’ny CNOSC, ka heverina handraisan’ireo filohan’ny Ankolafy efatra anjara, ho fitadiavam-bahaolana hivoahana amin’ny krizy. Asa na hotazoniny na tsia io teny io, fa mampahatsiaro ihany ny voalazany tamin’ny 2 sy 3 septambra 2009 teo Ambohitsorohitra sy Iavoloha mantsy izany, raha namory olona mba hakana ny hevitry ny mpiara-dia aminy mialoha ny valin-teny homena ny mpanelanalena iraisam-pirenena tarihin’ny filoha Joachim Chissano nandrasana ny 04 septambra 2009, rehefa nirava maina tamin’ny Maputo II. Nilaza ho ren-tany ho ren-danitra nanoloana ireo olona notaomina hameno ny bozaka maitso tao Ambohitsorohitra i Andry Rajoelina fa tsy hiverina any Maputo intsony izy fa dia halefa mailaka na soratra maro sosona (sms) ny valin-teniny.

Dia niaraha-nahita ny tohiny, fa sady mbola tany Addis Abeba izy, roa voalana taorin’io, novambra 2009, no tatsy Pretoria ihany koa ny volana aprily 2010. Fa ny fanontaniana azo apetraka dia ny hoe raha hitsangantsangana izay mankany Nosy Be, mba hanao inona kosa ireto ny napetraka eny Tsimbazaza sy Anosikely , Tapabolana mantsy izay no nanendrena azy ireo, fa na tamingana masoivoho vahiny iray aza tsy tonga nitsidika akory. Ny nametrahana io Parlemanta io anefa dia ny hoe hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Tsy hisy mangirana anefa izany ary vao mainka nanampy trotraka ny tenin’ny mpizaikan’ny Frankofonia tany Montreux Soisa ny sabotsy teo, fa tsy miaraka amin’ny mpanongam-panjakana ity Vondrona ity. Koa tsy ho sasa-dahasa ihany izany ny FAT nanendry ireto 346 mianaka namenoana an’i Tsimbazaza sy Anosikely ireto ? Tonga amin’ilay oha-pitenenana malaza manao hoe : “ganagana mitety bainga ny tratra mangana nefa ny sakafo tsy azo”. Aza hitako lahy ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT