Edito

Sarotra saingy…


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Dia vaka ny saina, nivontirika tampoka ny voamaso ary nihomehy tsy ravo ny endrika raha nandre ny fitanisan’ireo hoe « mpakasitraka », hono, ny zava-bitan’ny filoha am-perinasa ankehitriny tao anatin’izay 5 taona latsaka izay.


 « Manetry tena ianao, mahari-po, tsotra, malemy paika,… » izao fandokafana rehetra izao dia saika nandrakofan’ireo navela hifandimby niteny ny filoham-pirenena ankehitriny avokoa. Averina hatrany tokoa fa tsy nisy nilaza mihitsy, raha mbola mpandinika sy mpamakafaka politika hoe tsy nanao na inona na inona mihitsy izao fitondrana izao saingy ilaina kosa anefa ny mamerina eny amin’ny boriborin’ny ivon-kianja ny baolina rehefa mialoha ny hanao fanatanjahantena iombonana. Ilaina ny mamerina ny fototry ny adihevitra mba hizahana ny tokony ho lalan-kizorana. Ny filoha ankehitriny dia averina hatrany fa tany am-boalohany dia efa niaiky fa tsy niomana ny hirotsaka ho filoham-pirenena ary tsy nanana fandaharan’asa ahafahana mampandroso an’i Madagasikara ny tenany. Tsy nahagaga raha nitelina fotsiny izay nolazain’ireo mpanolotsainy sy ny manodidina azy na dia be tamin’ireny aza no nanipy hoditr’akondro, araka ny nambaran’ilay iray isan’ny nandray fitenenana nandokadoka azy tetsy Antaninarenina omaly. Ndrao dia tsy sazoka sady mbola tsipy hoditr’akondro vaovao indray no mbola naneken’ny filoham-pirenena am-perinasa hirotsaka hofidiana fanindroany  ? Sarotra, hoy izy izay omaly ilay toeran’ny filoham-pirenena “saingy…” nisy fehezanteny maro be teo anelanelan’io teny hoe “saingy” io vao tonga tany amin’ilay teny hoe “hirotsaka aho !”. Na ny teknisianina aza hita ho diso fiaingana ihany raha nanapoaka ilay zava-mamirapiratra mampiseho fa nisy fanambarana niezinezina nandalo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT