Edito

Sarotra ny hanantena


  • Alatsinainy 22 Martsa 2021

Ny eo tsy vita, ny hafa asesika ihany. Tsy efa tamin’ny taon-dasa ve moa no nametrahana ilay hoe fandraketana amin’ny

 

 

 fomba maoderina anaty solosaina na “digitalisation” ny fandraharahana ny asam-panjakana hatreny amin’ny biraom-pokontany ao anaty 10 andro monja? Hatramin’izao anefa, aiza ho aiza ny fipetrany? Tsy ny hoe “an-dalana” lava izao ve no matetika heno manerana ireo andrim-panjakana? Irariana hatrany aloha ny hoe enga anie mba hankadiry ny fahagagana hitranga eto amin’ity firenena ity fa sarotra aloha hatreto ny hanantena, raha ny fototr’izao fitondrana izao efa hatrany amin’ny taona 2009 no jerena. Tsy niova ny fomba fiasa. “Tsy maintsy miverina eto ny satro-boninahitra!”, “Fantatray ianareo”, hoy ilay jeneraly nalaza tamin’izany fotoana amin’ny fizahana mpamokatra sy mpikirakira baomba. Tsy ho amelana indray, hono, ankehitriny ny mikasika ity volamena ity. Amena, hoy ny hiaka Kristianina izay fa efa tafaverina amintsika ve izao ireo nosy Malagasy nolazaina fa tsy maintsy tafaverina mialohan’ny fetim-pirenena tamin’izany fotoana izany? Ny taom-pianarana sy fikarohana eny anivon’ny oniversitem-panjakana aza ankehitriny misavoritaka ambony ambany, izany hoe nanampy trotraka ilay olana momba ny fampitaovana sy vatsim-pianarana efa lovan-drazana hatramin’ny taona 1972 ary manampy izany rehetra izany koa amin’izao fotoana izao ity tsy fahatomombanan’ny LMD ity dia ho ampy ve ny fifantohany raha ho ampiana ny fikarakarana izany karatra vaovao izany indray? Tsy efa ny filoham-pirenena ihany ve tamin’ny taon-dasa no nilaza fa tsy mety amin’olona misy tosidra, vehivavy bevohoka sy mampinono, olona diabetika ilay CVO? Sa CVO amin’ny endriny hafa toy ilay valanaretina amin’ny endriny vaovao na hoe “variant” vaovao koa ity ho zaraina manomboka anio ity fa tsy mila izany sivana izany intsony? Tena nihaino ny tsikera sy ireo hetaheta niantefa taminy tokoa ve ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy hanitsiany ny famindrany ho amin’ny fampandrosoana tokoa ?

 

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT