Edito

Sarotra be ve ny milaza ny marina e ?


  • Talata 26 Janoary 2016

Efa mafy ny manjo ny olona any atsimo ary tena mamely ny kere any.Io no fanambarana nataona mpanakanto iry zakan’Androy teto an-drenivohitra raha niresaka tao amina onjam-peo tsy miankina iray izy.


Olana efa nisy hatry ny ela io fa tsy ety voavaha hoy izy ; ary tena tokony hijery akaiky izy tokony atao ny fitondram-panjakana fa mafy ny mahazo ny mpiray tanindrazana any atsimo.Ny mpitondra fanjakana anefa etsy ankilan’izay mbola manizingizina fa tsy misy kere izany any atsimo, efa tahaka izany koa no nitranga tamin’ny herintaona ary nahazo teny masiaka mihitsy moa ny mpanao gazety namoaka ny vaovao nitantara fa kere ny any Androy any.Dia tena tsy fantatra mihitsy hoe :inona no antony hanafenana ny zava-misy, tsy aleo ve ampahafantarina ny rehetra izy io amin’izay samy tonga saina dia mandray andraikitra amin’izay tandrify azy avy e.Inona moa fa tsy mitovy amin’ilay resaka ihany ity hoe :tsy marina ny filazana fa sahirana ara-bola ny fanjakana Malagasy ; avy eo anefa ny minisitry ny vola milaza indray fa mila mifehy kibo isika satria tsy manam-bola.Fa tena sarotra amin’ity fitondrana ity mihitsy ve ny milaza ny marina ?Tezitra anefa avy eo rehefa tenenina hoe :mampiesona vahoaka.Ny voalohan’ny taona 2015 izao ny filoham-pirenena nilaza fa raisiny an-tanana ny fampihavanam-pirenena ary tsy maintsy atao, aiza ho aiza anefa izao ny momba azy io .Inona ny firenena hilamina sy handroso eo raha fitapitaka sy lainga isaky ny mihetsika no endri-piaraha-miasa eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT