Edito

Sarotra atoro


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Raikitra amin’ny volana jona indray izany ny fifidianam-paritra eto amitsika.


 Efa azo sary an-tsaina indray fa handrombaka ny maro an’isa ny antokon’ny fitondrana ary hampiasa ny tetika rehetra hahatongavany amin’izany. Milaza ho manam-bola hanaovana an’io ny fanjakana, raha ny tenin’ny praiminisitra omaly. Inona indray ny fampanantenana hatao eto. Ho tanteraka amin’izay ve ny fitsinjaram-pahefana sa ahoana ? Mihodinkodina am-pitoerana ny fitondrana HVM. Tsy hita izay zava-bita mivaingana ary bedy foana isaky ny mihetsika. Angamba efa lany henatra ka tsy taitra amin’izany intsony ireo mpitondra fa mbola misy velon-tsiky ihany. Ny vahoaka anefa efa tena mijaly fadiranovana. Misy ny efa manomboka maneho ny fahasosorany fa dia kabary aloha no valin-kafatra avy any amin’ny mpitondra hatreto e ! Raha kabary no nahavoky dia efa natavy be daholo ny Malagasy. Im-piry no notairina ry zareo manampahefana fa maro be ny zavatra tsy mandeha amin’izay laoniny eto ka mila jerena akaiky sy hikaroham-bahaolana, saingy ny seho ivelany ihany no mahamaika e ! Ny kajy politika amin’io mandeha ihany. Manangana fahavalo isan-kerinandro ny filoham-pirenena, tsy fantany anefa fa amboadia mitafy hodin-janak’ondry daholo ireo manodidina azy ireo ary hiala aminy sy hamadika palitao indray rehefa raikitra ny sakoroka eto ka izy no ho tavela farany eo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT