Efa nisy teto ny hoe fihaonana eo amin’ireo ankolafin-kery politika 4 na « 4 mouvances », nitombo 8 io, avy eo lasa 10. Teraka ny tondrozotra taorian’izay ary iny no nitondra tany amin’ny fifidianana rehefa avy nifampizarana ny toerana teo anivon’ny governemanta sy ny parlemanta (CT sy CST)
. Natao ny fihaonan’ireo filoha 5 nifandimby, teo ambany fitarihan’ny FFKM, nitsoaka an-daharana ny roa, nirosoana ihany anefa ny fanasoniavana ny tolo-kevitra ho fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena fa mbola eo ihany ny krizy. Ankehitriny misy indray ny fifampidinihana eo amin’ny filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka, fandrafetana ny fifanarahana ho amin’ny fitoniana indray no tanjona, ka asa izay hitranga atsy ho atsy. Maro ihany mantsy ireo manahy fa sao dia paikady politika atao mba hahafahana manao ilay fifidianana amin’ny 31 jolay fotsiny io, fa aorian’izay dia ho raikitra indray ny gidragidra politika ka mety hifandramatra indray ohatra ny ben’ny tanàna sy ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana na ny minisiteran’ny atitany. Tsy olon-kafa mantsy fa ireo izay nandray anjara tamin’ireo karazana fivoriana sy fihaonana ireo ihany no ho mpifaninana mandritra io fifidianana io. Tsy hoe ny fivoriana, na fakan-kevitra na fifampidinihana no ratsy fa ilay toetran’ny mpanao politika eto Madagasikara mihitsy no hafahafa ka sarotra alamina e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.