Ela ny ela ka hiaka-dapa eny amin'ny Parlemanta ihany ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny fananganana ilay komitim-pirenena momba ny fampihavanana.
Manomboka rahampitso talata no handinihan'ny mpikambana CT sy CST azy io, araka ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana fahefatra tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny herinandro lasa teo. Dingana iray tsy maintsy atrehana moa izy ity amin'ny fampitoniana ny firenena mba hahafahana miroso amin'ny fifidianana, izay lalana tokana hamaranana ny tetezamita sy hiampitana any amin'ny Repoblika vaovao. Ela no niandrasana ity fotoana ity ary maro be ny adihevitra natao taminy. Tena saro-piterahana, araka ny fomba fiteny ny famotsoran-keloka satria misy kajy sy ambadika politika. Matoa mangataka famotsoran-keloka ny olona iray dia manaiky izy izany fa diso, nandika lalàna, nahavita heloka ary manaiky ny didim-pitsarana navoaka nanamelohana azy. Misy amin'ireo mpanao politika no tsy maintsy mahazo io famotsoran-keloka io, izay vao afaka milatsaka hofidiana.
Natao ihany koa ny famotsoran-keloka mba hamafana tanteraka ireo antsoina hoe heloka politika. Sarotra hazavaina sy handresen-dahatra ny rehetra moa izy io, fa ny azo tenenina fotsiny dia ny fifanarahana politika no misongadina kokoa amin'ny fanaovana famotsoran-keloka, noho ny lafiny ara-pitsarana sy araka ny lalàna. Na dia efa misy resaka famotsoran-keloka ihany aza teto amintsika, tany aloha tany dia ny amin'ity 2012 ity no hita fa tena malaza sy mahoraka ary niteraka adihevitra maharitra indrindra. Midika izany fa sarotra ny krizy ary tsy mora ihany koa ny mikaroka ny marimaritra iraisana. Nisy foto-kevitra goavana nifandona teto hatramin'ny nitondran'i Marc Ravalomanana, tsy nisy ny marimaritra niraisana dia iny nipoaka iny ny raharaha 2009. Andrandrain'ny maro mba ho famotsoran-keloka tena hampilamina no hivoaka eny amin'ny CT sy ny CST eny, fa tsy mbola sanatria hampisavorovoro sy hamoahana fanazavana fanampiny indray. Na izany aza anefa dia tsy maintsy misy ny dingana arahana amin'ny fampiharana azy io, rehefa lany eny amin'ny parlemanta ilay izy fa tsy hoe herinandro dia vita. Mitodika eny Tsimbazaza sy Anosikely indray izany amin'ity herinandro ity, ny saina aman'eritreritry ny Malagasy mbola liana amin'ny politika. Dia ho hita eo ny hivoaka eny na tena hampilamina na hampitombo indray ny krizy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.