Edito

Sarisary


  • Alakamisy 22 Jolay 2021

Efa izay tokoa angamba no lova tamin’ireo lazaina fa “mpanjana-tany”! Sarisary! Sarisarina fahaleovantena, sarisarina fifanarahana koa no mbola hita hatreto mikasika ireo nosy manodidina,

 sarisarim-pandrosoana koa angamba satria inoana fa tsy hisy Malagasy sahy hilaza marina hatreto fa misy fiantraikany miabo tany anaty vilaniny ny heverin’ny fitondrana ankehitriny fa fandrosoana nentiny rehetra. Efa hatrany am-piandohana, fony fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena ankehitriny ilay lazainy fa “velirano” tany anaty fampihelezan-keviny sy nandritry ny fianianana tsy nasiany baiboly na zava-manan-kasina hafa ianianany nialohan’ny nandraisany fitondrana no efa nitenenana teto fa hafahafa izany toe-javatra izany. Inona tokoa moa izany no heverin’ny filoham-pirenena ankehitriny ho mamatotra azy na tsy hiraharaha ireny lazainy fa fianianana nataony sy lazainy fa veliranony ireny aza izy? Mety hilaza ny mpiaradia amin’ny fitondrana hoe nianiana tamin’ireo vahoaka izy saingy inona izany ilay zava-mahatahotra nianianany nanoloana ny vahoakany raha toa tsy ho tanterany ireo fampanantenany? Tsy hanazava lavabe mikasika izay sy ny tsy nisiana baiboly teo Mahamasina tamin’izany isika fa ny entina hanazavana azy angamba, satria izay izao no matetika teny miverimberina eny ambavan’ireo mpanohana ny fitondrana, dia ny atao hoe “Velirano”. Tena nanao velirano tokoa ve andriamatoa filoha, raha ny tena petrakevitra niandohana na hoe “concept” momba izany atao hoe velirano izany, na ara-tantara io na lovan-tsofina no iverenana? Veliranom-bazimba, hoy ny fitenenana, izay mivadika aloha kely ila. Ny dikan’izay dia misy famaizana voajanahary nantsoin’ireo razambentsika ireo tamin’izany ho an’izay mivadi-belirano fa tsy vitavita fotsiny amin’ny hoe manao velirano aminareo aho nefa tsy hihatra amin’ny ain’ilay tsy mahatantera-belirano iny akory ny velirano nataony. Misy dikany ny rano novelesina teny an-doharano tamin’izany satria tandindon’ny aina ny rano ary tena sahy nilaza mihitsy ireo razambe fa ho “kely ila” izy, ohatra, raha tsy mahatanteraka ny veliranony na koa hoe hanody amin’ny taranany ny tsy fahatanterahany ny veliranony. Mipetraka ankehitriny ny fanontaniana hoe tena nanao fianianana sy velirano ve ny mpitondra antsika sa saritsariny avokoa na hatramin’ny zava-manan-kasina toy ireny aza sanatria ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT