Edito

Sarintsarim-pety


  • Talata 26 Desambra 2017

Zara raha nanao fety ny Malagasy tamin’iny Krismasy iny. Nifanaretsaka eny an-tsena sy an-dalambe ny olona saingy toa mandalo ihany fa ny mpividy tsy nisy firy.

Eo ireo nitondra harona saingy toa fanomezana avy any am-piasana fa tsy vokatra avy any am-paosy na vidin-katsembohana. Sahirana ny ankamaroan’ny olona, zara raha misy ambim-bola hividianana sakafo andavanandro koa dia ampandeferina ny kilalao ho an’ny ankizy tamin’iny Noely iny. Ny lehibe moa dia toa manandrana manadino ny zava-misy amin’ny fisotroana rano mahery (alikaola e !). Na eo aza ny tahotra ny mpanendaka sy dahalo tafakatra an-drenivohitra dia ho maro ireo fiangonana ho hipoka mba ho fangataham-pitahiana amin’Andriamanitra Andriananahary hialana amin’izao fahasahiranana tsy hita noanoa izao. Malahelo ny Malagasy, very fanahy mbola velona ary betsaka ireo mitanisa ny filaminana fehizay ary mitanisa ny hoavy. Tsy misy tsy miakatra na ny vidin’ny ilaina andavanandro, indrindra ny vary izay efa ho 4000 Ariary ny kilao raha izao no mitohy, ny solika fampiasa tsy mitsahatra ny misondrotra. Izao ny fanjakana HVM vao mody taitra kanefa ny marina mitazam-potsiny ary dia mody manao asa fanasoavana. Ny tsy fandriampahalemana dia tsy atao resabe intsony fa iainana isan’andro hatramin’ny mpivarotra voanjo sy vatomamy aza voaendaka. Ny heverina ho manam-bola moa dia ny ainy mihotsy no manefa. Betsaka ireo mikarama amin’ny fizahantany (mpanofa fiara, mpiasan’ny hotely) no very karama noho ny fihenan’ny vahiny mitsidika ny nosy vokatry ny pesta sy ny maro samihafa ary ho avy indray izao ny rivodoza. Ny mpitondra amin’izany dia variana manenjika ireo mpanohitra azy fa tsy ny tena asany no ataony. Fanovana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana no maharepotra azy mba hitazomana ny sezany ary efa mitady lalana etsy sy eroa ampitomboana ny vola eo am-pelatanana. Tsy tena fitondrana no misy eto fa sarisarim-pitondrana. Ny politika eto amintsika dia kilalao ary sarisary. Asa na ho betsaka na tsia ny vorombe ho lafo fa misy misy ihany ireo milanja sarindokotra atao sakafo amin’ny 1 janoary izao. Manandrana mampifaly tena, eny fa na ny zaza sary aza amin’izao sarintsarim-pety izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT