Edito

Sarimihetsika tsy mifarana


  • Talata 10 Oktobra 2017

Mihodinkodina ny tany. Fomba fiteny sy fomba fijery izany. Saingy miverina boribory daholo angamba amin’izao ny zanak’atidoha sy ny tsikalam-pieritreretana manoloana ny zava-miseho ka mahatsiaro ilay tononkira hoe mahaiza fetsifetsy sao hianjera sy hikodia eto amin’ity tany ity.


 Ny eto an-tany mety mbola hisy azo hiarenana ihany fa ny eto amin’ity nosy ity kosa no mba ahoana ? Raha atao kisarisary dia toa iny ilay nosy fa nikodia ary rehefa mba niezaka niarina dia mbola nisy nampitotongana indray ary dia toy ny satrin’ny tsy mataho-tody hatrany ny hamarina azy hatrany an-kady mihitsy. Ekena tokoa fa saika miverimberina isan-taona eto ny aretina pesta saingy maninona no tsy mety fongotra ? Fantatra fa mambotry firenena ny kolikoly saingy maninona no tsy foin’ny ankamaroany ? Handova dezaka, hono, ny taranaka amin’ny firongatry ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena saingy maninona ary ny trafika etsy sy eroa no tsy mety mifarana ? Dia toa miteny foana izay mpiteny, manohitra hatrany izay milaza azy hoe mpanohitra. Sao lahy isika mianakavy ity ka mpilalao sarimihetsika daholo ? Sarimihetsika tsy mety hifarana no lasa iainana eto ka sady tsy hampidi-bola no handany ny fananana rehetra. Ny tena ho loza dia sanatria ho lafo ambongadiny koa isika mpilalao sy mpamokatra. Aza misy anie izany !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT