Edito

Sarimihetsika misy ambadika … ?


  • Alarobia 05 Janoary 2011


Haingana dia haingana ny firosoan’ny fanadihadiana tamin’ilay raharaha FPVM. Voasambotra avokoa na ny mpanatontosa ilay horonantsary mamoafady, na ireo mpilalao tao anatiny ary niatrika ny fanadihadiana azy ireo avy hatrany teny amin’ny zandary sy ny Lapan’ny fitsarana Anosy. Tsy mbola nisy nahafantatra izay nambaran’i Karana tao amin’ny mpanao famotorana aloha hatreto hoe inona marina no nanosika azy hamokatra sarimihetsika hafahafa tahaka ireny, noho ny antony ara-bola ve sa noho ny antony ara-politika sa tena fitiavana te hanoso-potaka ny hafa fotsiny tsotra izao ? Saingy na dia efa miroso haingana tahaka izany aza ny fanadihadiana dia mbola miteraka resabe etsy sy eroa ilay «film FPVM», na ao amin’ny Internet io na eny an-dalambe na any anivon’ny toeram-piasana.

Efa elaela tokoa mantsy tsy nahitana zavatra tahaka ireny. Taona maromaro lasa izay no nisy ilay horonantsary mamoafady nahitana tompon’andraikitra ambony tao amina ministera iray etsy Anosy, izay voatery nesorina tamin’ny toerany mihitsy, fa tsaroana etoana ihany koa ny an’ilay tovovavy efa voaosotra ho Miss Madagascar, ary dia nesorina taminy ihany koa izany anaram-boninahitra izany noho ilay horonantsary nahitana azy niparitaka tetsy sy teroa. Voalaza fa marobe no any ambadimbadika any, fa saingy ireo efa nivoka ireo aloha no tena nisarika ny sain’ny mpanara-baovao satria miavaka sy manana akony azo atao hoe goavana ihany, na teo amin’ireo nandray anjara tamin’ilay sarimihetsika, na teo amin’ny tontolo manodidina azy, eny fa hatrany amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy. Somary mety mbola vaovao ihany izy io ho antsika fa saingy efa mpitranga matetika any am-pitan-dranomasina any, ary ny ankamaroan’ireo olo-malaza, na eo amin’ny sehatry ny fihariana io, na ny filatroana na ny filalaovana sarimihetsika dia efa hita tany anatin’ireny horonantsary sokajiana ho mamoafady ireny avokoa izay «sex tape» moa no filaza azy any ivelany any. 

Misy ny tafavoaka tsy nahy tamin’izy ireny, misy ny fanahiniana natao sy naparitaka mihitsy ; ka na izany natao mba hanosoram-potaka, na natao mba hampalaza. Fa eo ihany koa no milaza fa natao mba hanaparitahana hafatra manokana ireny zavatra ireny. Maro be ny tombatombana sy ny vinavina saingy sarotsarotra ihany ny hamantarana ny tena marina indrindra ho an’ity horonantsary naha voatonontonona ny FPVM ity satria manana ny tantarany io antoko-pinoana iray io ary matanjaka ihany koa. Mety maro ny mialona, misy ny mpankahala, ao koa ny mpanararaotra, saingy sarotra ihany ny mino fa sangy ratsy fotsiny mba hanosoram-potaka ny fiangonana etsy Antaninanandrano no nataon’ireny olona sahy nampiseho tarehy ireny. Dia ahoana ireo ankizy kely sy olona manao akanjona mpiandry hita nipetraka sy nitazana tao anatin’ilay horonantsary efa karohana sy hosamborina koa ve izany ireny ? Nahoana no tafiditra sy afaka nanao izay tiany tao amin’ilay fiangonana ireo nambara fa nanatontosa ilay sarimihetsika ? Ary mbola afaka miverina lavidavitra mihitsy aza ka hanontany manao hoe : inona no tena antony lehibe nampisintaka ny FPVM tamin’ny FJKM ka nahatonga ireo resabe nifamahofaho teto ? Sarotra ny fanadihadiana, tsy ho mora ny fanapahana ho an’ny fitsarana satria tsy vitan’ny sarimihetsika fotsiny ity raharaha ity fa tena mety misy ambadika … !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT