Edito

Sarimetsika fotsiny


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Be loatra ny kolikoly eto amintsika, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Zary sarimihetsika sy sarintsarina ady amin’ny kolikoly no misy eto amin’ny firenena raha jerena amin’ny zava-misy. Ny tena loza dia ny mpitondra firenena no voatonona matetika amina raharaha maloto sy tsy ara-dalàna saingy tsy afa-manoatra ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly izay miankina amin’ny fanjakana. Ankehitriny, voalaza fa nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo rehetra voarohirohy nanondrana andramena tany ivelany ary nisy tamin’izy ireo mihitsy aza no notendren’ny fanjakana ho amina toerana ambony kanefa mbola manana olana ara-pitsarana. Atao ahoana no hiady sy hanafoana io toe-javatra mampitotongana ny fiainam-pirenena io raha ireo olona ambony eto amin’ny firenena izay tokony hampihatra ny lalàna indray no miaro ny olona tokony homelohina ? Ireo mitolona ho an'ny tanindrazany amin’ny fiarovany ny harem-pireneny tsy hataon’ny vahiny tantely afa-drakotra indray no gadraina sy hatao izay tsy ahitany mangirana. Mbola resabe ilay hoe firenena tan-dalàna fa ny lalàna misy eto amin’ny firenena dia natao hiarovana ny mpitondra sy hamoretana ny madinika izay manelingelina azy.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT