Sao sanatria maty tanteraka tokoa?

Sao sanatria maty tanteraka tokoa eto


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

mpanao gazety maromaro, olompirenena misimisy ihany koa no nilanja vatapaty nisy soratra hoe «Veloma rafahafahana!» teto anivon’Imerina teto. Nisy tamin’izy ireny, izay nitarika ny hetsika tamin’izany fotoana izany, no isan’ny azo ambara hoe mpitondra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Nikiakiaka fa niha niroso tamin’ny fitondrana jadona ny fitondrana nisy tamin’izany fotoana izany. Nolazaina fa notandindonin-doza ny fahafahana, ny fahalalahana naneho hevitra. Aiza ho aiza kosa ary isika ankehitriny? Hatraiza ny fetran’izay fahalalahana miteny sy maneho hevitra izay? Firifiry tamin’ireo efa naneho hevitra teto amin’ity firenena ity tao anatin’izao fitondrana izao tokoa moa no tsy efa nidoboka am-ponja noho izay resaka fanehoan-kevitra izay? Iny izao ny faran’ny herinandro teo dia nampitandrina koa izany ny filohan’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenena fa mety hiafara amin’izany koa ireo tsy mahazohazo ny didy avoakan’izany andrim-panjakàna izany. Rehefa tsy fandraràna sy fampitahorana dia famoretana hatrany ve izany no hampiainana ity vahoaka malagasy ity? Efa taona 2024 isika izao, hoy ilay kandida ho solombavambahoaka iray izay, saingy mbola miaina toy ny tamin’ny 2009 ihany, izany hoe toy ny tamin’ny 15 taona lasa. Ny mbola resaka fifandonana politika eo amin’ireo mpisehatra nalaza hatramin’izany dia ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, sy ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, moa no tiany ambara. Etsy ankilany, ny fiainam-pirenena ankapobeny dia iaraha-mahalala fa ny ankamaroan’ireo mpanao politika sy mpamakafaka isan-karazany dia samy mahita fa mila fanamboarana goavana, mba tsy hilazana an’ilay fomba filazan-drizareo mahazatra hoe fanorenana ifotony, ny rafi-pitantantanana ity firenena ity. Isany ny resaka fitsaràna. Oviana moa ny fanapahan-kevitr’izany antsoina hoe HCC izany no tsy nisy nitsikera teto amin’ity firenena ity? Na tamin’izao 2024 izao na tamin’ny 2018 na tamin’ny 2009 na 2002 na talohan’izay rehetra dia iarahan’izay nahatsiaro ny tantara nahalala fa niteraka adihevitra teo anivon’ireo olompirenena samihafa hatrany ny fanapahan-kevitr’izany andrim-panjakana izany na dia notsiahivina foana fa tsy azo ivalozana aza. Sao dia mba fotoana tokony hanavaozana tanteraka ity firenena ity tokoa izao vaninandro ankehitriny izao na eo amin’ny lafiny fanaovana politika io na lafiny lalàna na fitantanana ny toekarena sy sosialy ary ireo sehatra hafa misy rehetra?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT