Edito

Sao mba tsy rariny e !


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2016

Mirongatra ny herisetra. Tsy ambanivohitra, tsy an-tanàn-dehibe fa io izao no eny ambavan’ny olona.


 Tetsy Ampanefy, hafahafa no andrenesana fa polisy indray no mihaodihaody eny nefa ny tany tsy milamina. Nidoboka any Tsiafahy moa ny nahiahiana. Any Andranovory Toliara, notifirina ankitsirano izao ny mompera mba hangalarana ny lakolosim-piangonana. Fitahian’Andriamanitra fa dia efa mahatsiaro saina izy, na niantefa teo amin’ny tratrany aza ny bala. Any Tanambe, maty nofirin’olon-tsy fantatra ny vadin’ny Ben’ny tanàna teo aloha, izay anisan’ny manohitra ny fitrandrahana ataon’ny vahiny ao amin’ny Kaominina niadidiany teo aloha. Any Tsimalao-Befandriana Avaratra, tantsaha mpiomby miisa enina manana ny omby very nangalarin’ny dahalo indray no tazonina am-ponja miaraka amin’ny Ben’ny tanàna. Inona loatra ity zava-mitranga eto amintsika ity fa toa mivadika ny gilaoby ? Ny natao hiaro no mandroba, ny noheverina hiaro ny osa sy ny ory indray no mandentika an-davaka. Sao mba tsy rariny e !

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT