Edito

Sao mba hitsikian’ny vintana ?


  • Alakamisy 31 Mey 2012

Tato anatin’ity fitondrana tetezamita ity dia nahazo vahana teto Madagasikara indray ireo lalao kisendrasendra natokana ho an’ireo izay te hitsapa vintana (?) sy te hahazo volabe tampoka.

 Volabe tokoa no miasa ao anatin’io, ary hita kosa aloha fa tena matihanina ny orinasa misahana azy no tena arifomba sy raitra ny fitaovana ampiasainy. Henjana dia henjana ihany koa ny serasera ao anatin’izany rehetra izany. Dia roboka tokoa ramalagasy, sao mba mety hahazo ny anjarany amin’ireo ny olona reraky ny krizy. Miandrandra fahagagana tampoka ny sekta sy ny orinasa mpanao lalao kisendrasendra sy antsapaka. Rehefa tena nodinihana lalina dia tafiditra hatraty amin’ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika ity kitsapa vintana ity. Andramana daholo aloha izao rehetra izao, dia tahaka ny miandry fahagagana izany ny maro fa tsy maintsy hilamina eo ihany io ka hiaina tsara amin’izay isika e ! Efa resabe no natao tamin’ny resaka fifidianana. Isaky ny voalohan’ny taona dia milaza fa hanao fifidianana foana ny filohan’ny tetezamita, izao anefa tsy hita akory ny tena marina fa nampilendalenda fotsiny ny fanambaran’ny CENIT.

Nandramana daholo izao karazana fihaonana izao, tsy mbola mety mifanaraka ihany ny mpanao politika. Nitsoraka mihitsy ny fitondrana FAT nanome alalana kaompania vahiny vitsivitsy hitrandraka harena ankibon’ny tany eto tamin’ny 2010 sy 2011, izao anefa dia naato avokoa ny fahazoan-dalana nomena azy ireo, fa toa hoe tsy manaraka ny bokin’andraikitra, hono, ireo kaompania vahiny ireto no sady manify ny tombony azon’ny fanjakana Malagasy amin’ny fitrandrahana ataon’izy ireo. Andrana daholo izany rehetra izany. Raha nisy koa ny fidinan’ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita an-dalambe, dia natao aloha ny fandrahonana am-bava mialoha ny hetsika.

Manamboninahitra ambony efa diso fantatry ny olona loatra no manao izany. Avy eo nalefa indray ny daroka baomba lakrimozena. Avy eo norahonana hosamborina ireo mpitarika. Farany teo, nisy sivily tampoka mibaby kitapo mitora-bato ireo mpanao fihetsiketsehana teny Ambohijatovo. Nialoha izany rehetra izany, efa nandramana ny Tsena mora, Trano mora, Zoma fanampiana… Ny mpitondra FAT ihany koa dia efa nanandrana namaky ady tamin’ny SADC, ny praiminisitra tamin’izany dia efa namoaka vava mihitsy hoe : “alefaso aty izany miaramilan’ny SADC izany mba hanaovanay fanazaran-tena !”. Nambara fa hiala ao i Madagasikara, avy eo misolelaka amin’ny SADC indray. Nandramana nosoniavina ihany koa ny tondrozotra, kinanjo rehefa nojerena avy eo toa …mangidy sarotra atelina, dia izao mbola mifampitady izao. Tsy mety vita ny krizy, miha sosotra ny olona, manomboka efa miady an-trano ny mpiara-dia teo aloha, mananontanona ny fipoahana ara-tsosialy izay vavahady misokatra any amin’ny ady an-trano. Misy ny mieritreritra fa tsy niomana hitondra firenena maharitra i Andry Rajoelina, raha nahazo fahefana tamin’ny 2009. Izay angamba no antony hanandranandramany ny zava-drehetra io, sao mba hitsikian’ny vintana ihany ny farany ka ho vitany ny hanavotra an’i Gasikara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT