Sao ho mahery tsy maody!?

Ny amalona aza, hoy


  • Talata 28 Oktobra 2025

ny fahendren-drazantsika, mifehy hazo tokana.

Isan’ny fampitandreman’Ny tao aloha na Ntaolo ihany koa ny hoe «Andrao ho mahery tsy maody ka tsy ho ela velona?» na hoe «Sao ho mahery tsy maody ka tsy ho ela velona?». Ny Ntaolo malagasy, araka izany, dia efa nahatsinjo sy nandinika ela fa tsy fanao io mahery fihetsika na misetrasetra am-boalohany io. Tsy fanao io mihazakazaka avy hatrany io, na hoe maimaika izany, raha fehezina ny filàza azy, fa mety tsy hahamety, indrindra moa, tsy hahalavorary mihitsy izay atao fa mety hamotika firindràna maro mihitsy aza. Tsy mbola nahafantatra ny voalazan’ny Baiboly hoe «Ny fahaizanao mandamina no entinao miady.» ny Ntaolo dia efa nahalala izany. Tsy nahalala ny arira momba ny bitro sy sokatra an’ilay razamben’ny literatiora frantsay, La Fontaine, ihany koa dia efa fantany izany. Mety efa nandinika ihany angamba nefa hoe ny bitro mitsambikina lava sy mihazakazaka miteraka na hoe miteraka marobe manao tera-bitro saingy 15 taona, raha maharitra, ny taham-pahavelomany, raha toa ka maharitra 500 na an-jato taonany maro kosa ny sokatra. Inona moa nefa no tiana ho ambara ao anatin’izany fanomezana ohatra samihafa izany manoloana ny fiainam-pirenena ankehitriny? Esory aloha ny omby mitondraka, hoy ilay toriteny nalaza be teny Antsonjombe indray mandeha izay. Efa afaka tokoa ve ny omby mitondraka? Miara-mijery ny zava-misy tao anatin’izay 1 volana sy 3 andro nanomboka ny 25 septambra 2025 izay isika. Nandroso nihemotra tamina fanapahan-kevitra sasantsasany ny fitondràna vaovao. Nanendry praiminisitra naha be resaka kanefa avy eo nanaporofo fa sahy mandray fanapahan-kevitra, izay ny nisongadina indrindra tao anatin’izany moa, dia ny nanesorana ny zom-pirenena malagasy an’ny filoham-pirenena malagasy nitondra farany nialohan’izao tetezamita izao. Ny resaka hoe fisavàna tampoka ny fonenana sy fanànan’ny sasany amin’ireo heverina fa fanetribe teto amin’ity firenena ity nefa, etsy ankilany, mbola miara-mitazana sy mitsakotsako ny mpanara-baovao hoe tena izy ve sa sinema? Saro-piterahana ihany koa ny governemanta. Aleo ary aloha andeha milamina amin’izay sao ho mahery tsy maody tokoa!?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT