Tombanan’ny mpandinika maro fa tena hanova ny endriky ny fifandraisana iraisam-pirenena ny fahalanian’i Donald Trump ho filoha Amerikanina taorian’ny fifidianana ny 8 novambra 2016 lasa teo.Hafa fa tsy tahaka ny an’ireo filoha rehetra teo alohany ny fomba fisainana, nyfomba fijery ny toe-draharaha any Etazonia sy maneran-tany ary ny fomba firesak’ity filoha avy amin’ny antoko Repoblikanina ity ; mampiahiahy ireo mpanao politika any amin-dry be kintana ny faniriana hifandray bebe kokoa amin’i Rosia, kanefa teo aloha dia tena efa lasa toa ny sakay sy maso mihitsy ny filoha Amerikanina Barack Obama sy ny filoha Rosiana Vladimir Poutine.Ny 20 janoary izao no handray fahefana feno ingahy Trump.Ho an’ny eto Madagasikara manokana, fantatra fa nanantena mafy ny fahalanian’i Hilary Clinton ny ankamaroan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpandraharaha ary indrindra moa fa ny tao amin’ny masoivoho Amerikanina .Dieny izao dia efa tokony mandinika tsara ny fomba famindra ny mpitondra Malagasy satria tsy maintsy hisy marina ny zavatra hiova, ary tsy any Etazonia ihany fa ny any eoropa ihany koa.Niaraha-nahita ny fisitahan’ny Anglisy tamin’ny vondrona eoropeanina, ny tsy filatsahan’i François Hollande intsony amin’ny fifidianana atao any Frantsa, ny fahasahiranan’i Alemaina, Espaina ary Italia noho ny resaka mpitsoa-ponenana sy ny lafiny ara-toekarena.Ireny anefa no firenena mpanampy sy mpamatsy vola an’i Madagasikara ka dieny izao dia efa tokony ho mailo ihany fa tsy hahatoky loatra ny fitobaka ireo miliara be nampanantenaina tamin’ny fivoriana tany Paris e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.