Edito

Sao hampidi-doza e !


  • Zoma 04 Martsa 2016

Tongo-bakivaky ny zava-misy ankehitriny ka sady maharary no mahamenatra.


 

 Mitady hiverina amin’ny tantara politikan’ny fanjanahantany ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny satria tafiditry ny politika lalina indray ny resaka foko. Nisy hatrany izy io saingy ankehitriny dia miha mahazo vahana indray. Ny fahafantarana azy hatramin’izay dia ny vahiny eoropeanina mba tsy hitenenana ilay karazan’olona mivantana izay te hanjanaka antsika no nampiditra ny adim-poko amin’ny raharaha politika. Toy ny fanaon’izy ireo tany amin’ny firenen-kafa ka nahatonga ny foko samihafa nifamono mihitsy. Ankoatra ny raharaha famonoana olona izay mampitroatra ny foko avy any atsimo mantsy dia fantatra ihany koa izao fa tena mangidy hoditra amin’ny olona manodidina ny filoham-pirenena ny foko sasany izay nipoiran’ny mpitondra fanjakana tsy dia mifanara-tsaina tsara intsony amin’ingahy filoha. Noho ny resaka seza sy fitiavam-boninahitra dia hozongozonin’ny fitiavan-tena sy ny fisaraham-bazana ny fiarahamonina malagasy. Nanaitra tokoa tato ho ato ny fandrenesena, indrindra teo anivon’ny haino aman-jerim-pirenena, fa ny fikambanana avy atsy sy ny vondron’ny ben’ny tanàna avy ary dia manohana an-dranona ary tena saro-piaro ka mampitandrina ireo izay manaratsy sy nanenjika azy. Fa taiza koa no mbola nisy tany demokratika mifampihorohoro ara-piaviana toy izany ? Ny fahalalahanao dia mifarana hatreo amin’ny fetran’ny fahalalahan’ny hafa. Ka inona no idiran’ny fiaviana sy ny foko amin’izany kanefa ny fanjakana malagasy dia iray ihany ? Sao dia hampidi-doza e !

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT