Mahalasa fisainana ihany ny zava-misy momba ity krizy eto Madagasikara ity.
Lasa avo lenta ny fanaovana politika eto amintsika ary toy izany ihany koa ny fanelanelanana. Raha nifandimby nanaiky sy nitsipaka ny fomba fiasan’ny SADC ireo hery politika roa goavana eto amintsika, dia ny fitondrana tetezamita sy ny FAT, dia misy ihany koa ny mahita zavatra hafa mihitsy tato ho ato izay rehefa nandinika lalina ny fihetsika sy ny fomba fiasan’ny Dr Leonardo Simao iraka manokan’ny SADC sy ny fanambarana rehetra nataony fa tahaka ny misy zavatra hafa, tsy arakaraka ny eritreretin’ny rehetra mihitsy ao ambadik’ireny. Sao mba sinema ary ity ataon’ny Dr Simao ity ary ny hametraka velapandrika ho antsika Malagasy no tena himasoany sy hiasany mafy. Ho variana miady hevitra sy miady seza ny mpanao politika amin’izay ka tsy misy mahatsikaritra ny tetika maizina ao ambadiky ny fanelanelanan’ny SADC. Ahoana moa ny mety ho tohin’ny tantara raha toa ka ny fanalefahana tsimoramora ny fitondrana tetezamita sy fanapotehana ny mpanohitra no ataon’ireo mpanelanelana vahiny ireo ? Tany am-boalohany mantsy dia nieritreritra ny rehetra fa manohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina ary dia tsy tafavoaka mihitsy ny FAT. I Andry Rajoelina aza tany Fianarantsoa efa nandrangaranga fa hiala amin’ny SADC i Madagasikara.
Taty aoriana anefa dia nivadika indray ny rasa ka tahaka ny nanome vahana ny fitondrana tetezamita ny mpanelanelan’ny SADC ary miovaova ny fanambarana navoaka dia izao tahaka ny efa zanaka an-trano ao Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo izao ingahy Simao. Izy no nampirisika ny hanaovana haingana ny fifidianana ary dia efa nanao fitsapan-kevi-bahoaka ny FAT tamin’ny 17 novambra 2010. Namoaka sori-dalana indray ingahy Simao dia nihazakazaka hanao rangopohy izany teny Ivato ny 9 martsa 2011 ny antoko sy fikambanana politika 420.
Azo atsangana avy hatrany ny governemanta, hoy ingahy Simao dia natao izany, ka nifaninanana ny famadihana palitao ho an’ireo leon’ny danik’andro teny an-kianja fa mba te hiditra birao amin’izay. Izay ihany anefa no vita hatreto fa nihodinkodina an-toerana teo ny FAT, ary misy mihitsy ireo mahatsikaritra fa isaky ny manapa-kevitra ny hiroso sy hanohy iny lalana iny i Andry Rajoelina dia tonga eto Madagasikara ny Dr leonardo Simao dia tsy tena miainga indray aloha ny sambo. Any Afrika indray dia misimisy ihany ireo fihaonan’Atoa Ravalomanana amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny SADC sy ny GIC ary ny Vondrona Afrikanina, fa tsy mbola mety tafody eto Madagasikara izy hatramin’izao na dia nilaza fa efa nangoron’entana aza ary efa vonona ny hiainga. Moa tsy izay ve ilay hoe : mikatso ? Vokany, na ny andaniny, na ny ankilany dia samy tra-pahasahiraana ka tsy afaka manatanteraka hatramin’ny farany ny tanjona napetrany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.