Edito

Sao dia mba efa kapoka ?


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Fito volana nahazoana mpitondra vaovao isika izao, fito volana niovan’ny rivotra politika, fito volana nahenoana fampanantenana samihafa fanampin’ireo efa re tamin’ny fampielezan-kevitra na koa tany amin’ny taona 2009 nilazana fa tonga ny revolisionina lehibe ho an’ny firenena.

 

 

 Indrisy fa nihemotra tamin’ny lafiny rehetra ny firenena, mahantra ny vahoaka fa olom-bitsy no tena misitraka ny harem-pirenena. Zary fanesoana ilay Madagasikara manan-karena fa ilay hoe mahantra eo ambonin’ny harena angamba no mitombina kokoa. Tena izao tokoa ve ny lalana nirian’ny vahoaka Malagasy ? Izao ve ny atao hoe fandrosoana sy fampandrosoana maharesy lahatra azy ? Maro ny ambara fa asa fampandrosoana ezahina handresen-dahatra ny Malagasy fa tena ireny tokoa ve ilay andrasany sy iriany ? Trano mijoalajoala, tanàna goavana Tanamasoandro,… Tsy ratsy ireny, saingy tsy ireny angamba aloha hatreto no atao hoe: fandrosoana ho an-dRamalagasy fa ny fahavitany tena ara-tsakafo, fisitrahana rano fisotro madio sy ara-dalàna, ny fananany asa mahavelona, ny firoboroboan’ny asa fihariany izay ny 80% no tantsaha,.. Mety misy ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra fanjakana sy tsy fitovian’ny mety ho laharam-pahamehana ho azy sy ny an’ny valalabemandry. Sao dia ny vahoaka ihany koa no minia mikipy sy toa efa voaborosy hanaiky sy hiari-pery eo anatrehan’ny efa hita izao fa mizana tsindrian’ila, kely tsy mba mamindro, famarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka ? Lavitra loatra ny hantsana manelanelana ny mpitondra sy ny entina. Sa izao ihany koa no tonga amin’ilay hoe: vahoaka maditra ka mahazo mpitondra adala ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT