Edito

Sao dia lasa resabe fotsiny ?


  • Talata 21 Jolay 2015

Dia samy manana ny maha maika azy marina, raha toa ka somebiseby amin’ny propagandy ny sasany, eo ireo tsy taitra fa dia variana amin’ny fitadiavana, tena misy mihitsy aza ny olona mbola manontany hoe :fa fifidianana inona moa ity atao amin’ny 31 jolay ity e ?

 
Midika izany fa misy ny Malagasy tsy mivaky loha intsony amin’ny raharaham-pirenena, leo amin’ny fomba ratsin’ny mpanao politika sy ny fitiavan-tenan’izy ireo izahay, hoy ireo olona sasany nanontaniana.Tsy misy fiantraikany any am-bilaninay akory na iza na iza voafidy eo, hoy ity tovolahy iray, fa dia tsy maintsy miasa mafy foana izahay vao afaka mihinana.Izaho efa miady saina sahady ny amin’ny vola ilaina hampidirana mpianatra amin’ny oktobra ,hoy ny renim-pianakaviana iray.Tsy maintsy hisy anefa ny fifidianana, ary hitantana mandritra ny 4 taona izay ho lany eo, dia hanao ahoana ireny ampahana Malagasy tsy rototra ireny izany ?Tsy handray andraikitra amin’ny fiainam-piarahamonina, tsy hanara-maso ny ataon’ny olom-boafidy, tsy te hahalala afa-tsy ny tenany ve izany izy ireo ?Goavana ny andraikitra miandry ny mpanao politika sy ny mpitondra, fa raha sanatria mitombo isa ny malagasy tsy mivaky loha amin’ny fiainam-pirenena dia tsy hisy fampandrosoana ho vanona izany eto satria ny olombelona, ilay singa fototra amin’ny asa mihitsy no tsy mazoto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT