Edito

Sao dia ho lasan-ko vavany fotsiny ?


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Taorian’ny seminera natao teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny volana oktobra 2015 dia hatolotra ny filoham-pirenena eny Iavoloha anio ny boky kely mirakitra ny politika ankapoben’ny Rindra Safatsiroa ny sehatry ny fandriampahalemana (RSS).


 Tanjona amin’izy ity ny fandraisan’andraikitra fenon’ireo rehetra voakasiky ny fametrahana ny fandriampahalemana sy ny filaminana, izy ireo izay marihana tsara fa manompo ny vahoaka sy ny firenena. Tena mbola maro ny malagasy iharan’ny herisetra sy mandry andriran’antsy noho ny asan-jiolahy, distrika sy kaominina maro eto amintsika no anjakan’ny asan-dahalo. Tsy misy asa fampandrosoana ho vanona anefa eto rehefa mitaintain-dava ny olona ka tsy afaka miasa sy mamokatra tsara. Tsy takon’afenina koa anefa fa tena misy ny zavatra tsy milamina eo anivon’ny mpitandro filaminana, ny basy sy bala avy any amin’izy ireo mantsy no ampiasain’ny jiolahy sasany ary malaza be mihitsy fa misy miaramila sy zandary mampanofa basy. Ahoana no hanasitranana izany aretina izany, eo koa ny resaka kolikoly. Ho hita eo indray ny fampiharana ity RSS ity,  ny mampanahy fotsiny dia sao lahy ka ho lasan-ko vavany indray izy ity fa tsy harahin’asa akory.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT