Edito

Sao dia ho diso kajy e !


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Mihamafana ny raharaham-pirenena ankehitriny, indrindra ny resaka paikady handresena any amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Raha mbola mifandresy lahatra sy mifandamina ireo vondrona politika tsy ao anaty fitondrana sy ny firaisamonim-pirenena dia manao tsy omby aloha amin’ny kajy maloto sy pitsopitsony handavoana ny mpifanandrina kosa ny HVM.


Sesilany ny fihantsiana sy fandranitana, ary indrindra ny antsojay tsotr’izao. Tena raha izao ady an-kanosana atao izao no mitohy, kanefa tsy mahomby dia mety tsy hisy tahotra sy henatra intsony ny fandatsahan’aina na mivantana na ankolaka satria efa ny politika maloto sisa no mibaiko. Ny zavatra hita anefa aloha hatreto, dia toa tsy taitra firy amin’ireo heverina ho famotehana azy ireo mpanao politika tiana hopotehina, izay mety ho efa manana ny paikadiny ihany koa fa mbola mijery ny fomba hoentiny miaro ny rambony tsy ho tapaka sy mitroatra eo anatrehan’ny loza ara-politika apetraka eo an-tampon-dohany. Ny biby hanaikitra tsy mba mampiomana, hoy ny fitenenana, ka dia tsy hay aloha na hahomby ihany ny tetikadin’ny mpitondra, izay efa mandrangaranga ny heriny sy ny fahefany na koa ho diso kajy eo, ka halavon’ny herim-boangoriny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT