Edito

Sao dia hanjavona indray ?


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Andrasana izay fehin-kevitra hivoaka avy amin’ilay fivoriana momba ny fandriampahalemana eny amin’ny CCI Ivato. Samy efa mikaikaika amin’ny asan-jiolahy sy ny fahasahian’ny dahalo avokoa mantsy ny rehetra.


 Anisan’ny antony tsy hatokisan’ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola antsika io tsy fisian’ny filaminana sy fandriampahalemana eto io. Misy ny mpandraharaha misy mamono amin’ny fomba feno habibiana na misy maka an-keriny. Hatramin’ny diplaomaty aza efa sahin’ny mpanao kidnapping alaina. Raha mba misy mpivarotra mahalafo entana ka mahatafiditra vola misimisy, tsy miandry ela fa hanaovan’ny jiolahy bemidina avy hatrany. Ny tena loza dia misy mpitandro ny filaminana miray tsikombakomba amin’ireo jiolahy. Misy miaramila mampanofa basy, misy zandary voarohirohy ho miray tendro amin’ny dahalo, misy manamboninahitra ambony miaro azy ireny. Re koa fa misy olom-boafidy tafiditra amina trafikana fitaovam-piadiana. Moa ve hamoaka paikady hiadiana amin’ireo zava-drehetra ireo ity fivoriana eny Ivato ity ka tena hotanterahana marina sa hijanona ho resaka fotsiny indray dia hanjavona tsy hita popoka tahaka an’ilay fehin-kevitra 19 pejy tamin’ny fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM ?


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT