Edito

Sao dia efa revin-gadra ?


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Tsy milamina ny tany sy ny Fanjakana amin’izao fotoana izao.

 

 Mikorontana ny toe-draharaha politika satria ny mpitondra aza miady an-trano. Misedra olana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny firenena, saingy tsy misy vahaolana mazava sy mafonja.

Ny fihetsika ataon’ny Fanjakana, toa mbola miendrika fisaraham-bazana ny sasany, raha tsy hilaza afatsy ilay Kianja Masoandro eny Anatirova toa lasa tsangam-baton’ny fisaraham-bazana, ny lanonam-pitokanana niteraka resabe. Ny mpanohitra lazaina fa vitsy an’isa sy resy lava manomboka mahazo hery, raha ny hita tany Antsirabe. Mena ny tondro rehetra! Zara aza misy ny Lalaon’ny Barea mba manintona ny saim-bahoaka. Ny resaka lalàna sy fepetra, dia toa ny mpitondra no miezaka manome vahana ny fandikana izany, mba hamiliana saim-bahoaka. Tsy ny fanohanana ny ekipam-pirenena no ratsy kanefa angaha moa efa azo atao no indray mamory vahoaka mihoatra ny 200 ka ny manam-pahefana any Toamasina mihitsy no mamory vahoaka? Adala sy kentrina na tsy misy saina ve ny CAF nametraka ny fepetra fa tsy azo hatrehin’ny mpijery ny lalao mba hisorohana ny fipariahan’ny valanaretina? Angaha moa tsy efa mikatona ny sisin-tany no misy mpanakanto vahiny tafiditra tampoka eto mamory vahoaka etsy sy eroa kanefa ny mpanankanto Malagasy sakanana? Sao sanatria efa mivadika revin-gadra ny eto Madagasikara, ka toa efa manao izay reviny sy toa amporisihina mihitsy aza? Tsy atao mahagaga ny tahaka anefa ny tahaka izany satria matetika no ahitana ny hoe: hafa no lazaina anio, ary hafa no atao rahampitso. Isan’ireny ilay alahady miantso fanaovana arovava, fa ny talata izy no tsy manao voalohany.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT