Edito

Sao dia efa maty eritreritra?


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Mihamafana hatrany ny fifanandrinana eo amin’ny Fanjakana ankehitriny sy ny Filoha teo aloha, izay lehiben’ny mpanohitra. Tsy mijanona amin’ny adihevitra sy ny fifamelezana ara-kevitra, fa efa tonga hatrany amin’ny fampiasan-kery sy herisetra.

 

 

Ny Filoham-pirenena matetika no milaza fa tsy fotoanan’ny fifanenjehana intsony izao, fa fotoanan’ny fitoniana. Io fa miha mahazo vahana anefa ny fandrehetan’afo ataon’ny fanjakana amin’ity resaka fanakatonana orinasa ity. Vao ny faran’ny herinandro lasa teo ny Filoham-pirenena no nanao pi-maso tamin’ny vahoakan’Antsirabe, saingy io fa efa mamono ireo mponina amin’ny fomba ankolaka. Olona iray no tiana hopotehina, saingy an’aliny no mizaka ny ngidiny. Tsy fiarovana na fanasohasoana be fahatany ny Filoha teo aloha sy ny ekipany, fa mbola tsy ampy ihany ve ny fandorana sy ny fandrobana natao tany amin’ny 11 taona lasa? Sanatrian’ny vava ve ka dia tena maty eritreritra ka tsy hihevitra afa-tsy ny hamongotra sy hamotika? Tsy nijanona teo ambony ringan’ny fifidianana ny fifanolanana sy ny fifanenjehana, fa mitohy hatrany. Fotoana izao tokony hambolena fitoniana sy firaisan-kiana, fotoana tokony hampiroboantsika ny orinasa sy ny fihariana ataon’ny Malagasy, saingy toa tsy izay no miseho. Ny fitantanan-draharaham-panjakana tsy mandeha amin’ny laoniny, manondrana ny manam-pahefana, vaky ny afera samihafa,… saingy mbola mamboly toe-javatra mampitombo ny fankahalan’ny Malagasy azy ny mpitondra. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra, dia maro no tsy mankasitraka ny fifamotehana tsy mitera-boka-tsoa tahaka izao. Mazava ny tenin’ilay Mpisolovava iray vao andro vitsy izay hoe: “mitandrema fa tsy ho eo mandrakizay ianao”, kanefa toa vao mainka no mifanohitra amin’izany no atao. Tsy hoe tsy takatry ny Malagasy, tsy hoe adinony, ary tsy hoe ekeny sy ankasitrahany ireo toe-javatra mamohehitra, fa efa miotrika any aminy, ary tsy ho zaka ny fipoakany rehefa feno ny kapoaka. Ny ampitso no hitsara!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT