Sangodim-panina

Ny adin’ny Malagasy mbola mangotra manoloana ny fahantrana,


  • Zoma 09 Mey 2025

fa ny mpitondra ihany koa atsy ambadika toa mifanaritaka miaro sy sezany sy ny fahefany.

Toa manomboka tsy mifampatoky na ny mpiara-dia aza, hany ka mihasarotra ny fandehan-draharaha. Ireny nirefodrefotra ireny ampamoaka, dia misy ny natao sorona na notapahan-doha nongotana tamin’ny toerany. Toa maneho ny tsy fahafahaliany mivantana na ankolaka ny hafa izay olobe ao anaty Fanjakana ka ireny hita taratra amin’ny haino aman-jery ireny ny hoe tsy tokony ho nesorina i ranona, na tokony ho niara-niala daholo. Toa mandeha hatramin’ny fanomezan-tsiny ny mpanapa-kevitra ho nihaino ny mpanohitra tamin’ny fanapahan-kevitra. Izany ve tsy efa mifampihinana ankolaka ? Betsaka ny zavatra manjavozavo sy sangodim-panina, nangotraka ny ampamoaka mikasika kolikoly avo lenta,… Asa rahoviana no hivaly sy hisy tatitra ny momba ilay hoe : misokatra ny fanadihadiana ? Ankoatra izay : Fanjakana milamina tsara tokoa aza moa tsy hita izay vokatra mainka fa amin’izao misy ambana sy fipoahana hafahafa izao ? Ny fiainan’ny Malagasy an-daniny mitotongana, ka io natsikafon’ny Firenena Mikambana io fa anisan’ny vahoaka fadiranovana ny eto amintsika amin’ny fivoaran’ny maha olona. Henjana izany faha-183 amin’ny 193 izany, milahatra amin-dry Yemen, Somalie, Niger, Centrafrique,… Asa hilaza indray hoe : mahay mitantana isika fa raha tsy nahay dia efa faha-193 ? Rahoviana vao ho tapitra ity fampahoriana ny Malagasy ity ? Mandra-pahoviana no hanaiky ny valalabemandr ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT