Edito

Sangodim-panina isan’andro


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Angamba efa tantara sisa ny hoe fampihavanam-pirenena eto Madagasikara, toa natsangana atao haingon-drafitra fotsiny ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy.

Tsy mampiseho fahavononana ho amin’ny fitoniana sy nyfihavanana mihitsy ny mpitondra fa dia manao sinema fotsiny.Tsy hoe ratsy ny fakan-kevitra, saingy ilay fomba hanatanterahana azy no mampiahihahy sy ny tena tanjona ao ambadik’ilay izy.Sao lahy ka efa vita tsara any ilay volavolan-dalàna momba ny fifidianana fa mody hoe hihaino ny hevitr’izatsy na izaroa fotsiny mba hanatsarana endrika ivelany e ? Aiza ka tampotampoka teo dia mivoaka indray ny resaka teny Tsimbazaza hoe alefaso haingana ety ho dinihana ilay volavolan-dalam-pifidianana.Fa inona no naha taitra tampoka teo ny filohan’ny antenimieram-pirenena ? Sa efa mandeha ny kajikajy ; depiote iza no azo handinika lalàna amin’izao ankatooky ny fety izao, sa efa izay mihitsy ilay kajy dia ho lany tsy misy fanitsiana indray satria efa samy maika hody ny rehetra.Tsy tongatonga ho azy io fanambaran’ny filohan’ny antennimieram-pirenena omaly io fa ao raha ; sangodim-panina tahaka izao foana izany no iainana eto, ka aiza moa no hisy fiaraha-mientana amin’ny asa fampandrosoana iombonana mihitsy e.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT