Edito

Sangodim-panina


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Valalanina tanteraka amin’ny sangodim-panina politika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ny vahoaka Malagasy. Tsy fantatra intsony izay marina sy diso eo anatrehan’ny resabe maro samihafa.

 Ny mpitondra miezaka maneho sy mandresy lahatra fa tena nisy nikasa hamono sy hifofo ny ain’ny Filoham-pirenena sy ny ekipany vitsivitsy. Ao ny mino, ary ao no milaza fa inona indray ity sinema be ity? Tsy misy fijery iray iraisana aloha izany ary ny hadalan’ny mpitondra ankehitriny izay efa zatra milalao saim-bahoaka no anton’io. Tsy vao izao no nisy laingalainga ka na mety ho efa zava-marina sy tsy vazivazy intsony aza lasa tsy inoan’ny olona firy. Firy tamin’ny zavatra nolazaina teto moa tena marina sy tanteraka? Moa tsy efa nisy teto ny famoronana sinema tena ara-bakiteny tamin’ilay nambara tamin’ny alalan’ilay horonantsary hoe “Johanah mpaminany”, nivoizana fa avy eto Madagasikara no hamonjena izao tontolo izao amin’ny coronavirus. Moa tsy I Andry Rajoelina izy tenany mihitsy ve no nilaza tao Mahamasina tamin’ny tetezamita fa efa any anaty sambo ny tramway? Moa tsy ny Filoha ankehitriny ve no niaiky teo amin’ny fahitalavi-pirenena tamin’ny adihevitra, fa I Marc Ravalomanana no hapetrany ho Filoha I Marc Ravalomanana rehefa izy no Filoham-pirenena? Ampahany ireny, fa ny tiana hahatongavana dia ny hoe: miteraka ahiahy amin’ny olom-pirenena ny zava-drehetra rehefa fantany sy mety hainy amin’ny lafiny maro ny toetran’ny mpitondra azy. Na ara-politika, na ara-toekarena, na ara-tsosialy,… dia efa tena tsy misy fahamarinan-toerana intsony eto, fa miaina tanteraka anaty sangodim-panina ka valalanina tanteraka ny valalabemandry. Tsy misy vina sy sori-dàlana mazava, tsy misy tondro na “répère” amin’ny ho avy intsony fa tena manjavozavo tanteraka. Samy miandry izay hiseho sy ny tsy ampoizina hatrany hoe: inona indray ny sinema na tsy sinema mety hiseho ato ho ato. Raha izay fiainam-bahoaka sy fiainana ara-toekarena izany, efa boriboriana amin’ny fitanisana ny mety ho lesoky ny teo aloha sy ny fivoizana sarintsarina santionana vahaolana amina fokontany na kaominina iray hanaovana serasera mipoapoaka. Mety fanina sy jamba tanteraka ny Malagasy, saingy tsy ho zaka ny fifohazan’io amin’ny torimasony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT