Edito

Sangodim-panina


  • Zoma 28 Aprily 2017

Tratry ny sangodim-panina tanteraka ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-mitranga ankehitriny.

Nitsiry ery izay ny fanantenany hoe iny eny fa nisy anaty fitondrana nanatsikafona ny lamba malotony. Ny ampitso dia samy naka toerana ho azy avokoa ireo karazan-tsendika nanao fanambarana mitovitovy dia ny hoe hanao fitakiana hampanjaka ny rariny fa ampy izay gaboraraka izay. Mihodina ka mihodina anefa ny toe-draharaha. Niainga tany amin’ny taona 2013, 2014, 2015… hisasaka ihany ity ny 2017. Tsy niova ny fomba fitakiana fa toa ny teo ihany no miverimberina. Tsy hita ho miroso, tsy hita ho mihemotra fa ny tena loza aminy anefa dia tsy ahitam-bokany. Ny vahoaka anefa etsy an-daniny mihamafy ny adiny ary tsy hita antenaina ny mpitondra izay efa nilaza hatrany am-boalohany fa tsy niomana. Fanin’ny sangodim-panina ateraky ny raharaha Razaimamonjy sy ny tariny izy ity fa tsy misy mpijery intsony ny momba azy manokana. Iza anefa no nilokaloka hanasoa azy ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT