Sanganehana…

Hita ho sanganehana ihany, niambakavaka,


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

nihanjahanja…!! Izay amin’ny ankapobeny no azo nilazana ilay kandida

 tokana irery niatrika didim-pitsarana sa sarintsarina didim-pitsarana teny Alarobia teny iny sabotsy iny? Raha fitantarana angano taloha mikasika ny tontolon’ny ankizy no ilazana azy dia tonga amin’ilay fitenenana hoe “milalao vovoka irery”. Nangiana dia nangiana ny ambiasy, raha ny taratra teto Antananarivo renivohitra aloha. Toy ny efa hita nandritry ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra izay notsipahan’ny maro an’isa ihany, izany hoe 11 isa tamin’ny 2 monja, no hita tamin’iny sabotsy iny izay famoaham-bokatra notsipahin’ny 12 isa tamin’ny tokana monja indray. Dia samy gaga moa ny rehetra raha nampiseho ny CENI fa nitombo, hono, ny taham-pahavitrihana. Naninona ary no tsy sahin’ity rafitra ity navoaka ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana? Tsy teo am-panononana eto no resaka fa tany amin’ny tranonkala manokana? Mbola nahita hatrany amin’ny 46% mahery koa, hono, ny taham-pahavitrihana. Niara-nahita ireo sary sy horonantsary tamin’ny fampahalalam-baovao samihafa angamba ny olompirenena tamin’iny fotoana iny. Nifaly ve fa nahazo fandresena ilay notononina ho mpandresy? Tena nifaly koa ve ireo nanohana azy ary nahatsapa fa nahazo fandresena sa tonga amin’ilay vazivazin’ny tanora hoe ilay naroso tery aloha tery indray no nanalana? Tsy toy izao no antsoina hoe ambiansim-pifidianana, hoy ny kandida laharana faha 8 izay, ary aza manody ny mahazo azy, hoy koa ny kandida laharana faha 5 izay. Maha sanganehana ihany! Maha valalanina izany rehetra izany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT