Edito

Sanganehana


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010


Hanamarika zavatra maro ity herinandro hodiavina ity. Eo ny fihazakazahan’ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita hitsara ny raharaha “7 febroary” anio. Mazava ny tetika eto, dia ny hanao izay hanamelohana sy hilazana fa tompon’antona feno tamin’iny raharaha iny ny filoha Marc Ravalomanana amin’izay dia tsy ho afaka hilatsaka amin’izay fifidianana ho avy eo. Amin’ity herinandro ity koa anefa no heverina hahatongavan’ny Iraky ny Vondrona SADC. Io indray dia ho fanatanterahana ny fehin-kevitra tinapaka nandritra ny fihaonambe tany Namibia ny 18 aogositra lasa teo, ka nanapahan’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana nivory tao ny hanokafan’ny SADC birao eto Madagasikara hanara-maso ny fivoaran’ny dinika fikatsaham-bahaolana ifanaovan’ny samy Malagasy hivoahana amin’ny krizy. Dinika izay hatao eo ambany fitarihan’ny iraky ny SADC sady nahazo ny tsodranon’ny sehatra iraisam-pirenena, Joaquim Chissano. Hita ho sanganehana ihany i Andry Rajoelina sy ny FAT sy ireo mpanao politika mivondrona ao amin’ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika eo anatrehan’izany.

Taorian’ilay fifanaovan-tsonia niarahan’izy ireo teny Ivato ny zoma 13 aogositra mantsy dia niroso tamin’ny fanolorana anarana hisafidianana izay hotendrena ho filohan’ny Kaongresy, filohan’ny CST ary ho Praiministra any amin’i Andry Rajoelina ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika ary efa namariparitra izay ho isan’ny mpikambana handrafitra ireo “andrimpanjakana” ireo avy. Ny taolana amin’izy ireo dia ny famatsiam-bola hahafahana mampihodina izany. Ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ihany anefa no lakilen’izany. Koa eo no maha sanganehana an’i Andry Rajoelina. Hirosoana avy hatrany ny fanendrena, toy izay efa natao tamin’ny aprily 2009 nananganana ny FAT ka nanendrena ireo olona 41 amin’ny 44 tokony handrafitra azy, sy ny tamin’ny 8 septambra 2009 nanomezana 72 ora an’i Monja Roindefo hanangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena, na koa ny tamin’ny 10 oktobra 2009 nanilihan’i Andry Rajoelina, rehefa nisora-tena ho filohan’ny tetezamita, an’i Monja Roindefo ka nanendreny an’i Mangalaza Eugène. Na dia tsy nahomby aza izany paika rehetra izany dia mbola nikiribiby ihany ny filohan’ny FAT nanendry an’i Camille Vital ho praiministra indray ny 20 desambra 2009, praiministra izay tsy nahavita nanangana governemanta raha tsy taty amin’ny 25 mey 2010. Na izany aza tsy nahazo fankatoavana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Vao mainka aza sazy iraisam-pirenena indray no vokatra azony, araka ny fanapahan’ny filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina ny 19 martsa 2010. Ity an’i Andry Rajoelina sy ny FAT ary ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika ity no tonga amin’ny hoe : hiroso ka hanendry olom-baovao indray, dia mihantsy ny sehatra iraisam-pirenena ary vao mainka ho fahirano eto, hihemotra ho maty latsa amin’ireo mpanaraka azy, amin’ity mandroso mihemotra lava ity. Raha izay anefa moa no mahasoa, tsy aleo halan’Andriana toy izay ho halam-bahoaka ! Ary aleo very tsikalankalam-bola toy izay very tsikalankalam-pihavanana.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT