Sanatria ho kapoaka mangidy hifandovana ?

Tsy misy firenena voahozona


  • Alarobia 28 Mey 2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

miainga ao anatiny io. Miankina amin’ny mpitondra nampindramina fahefana, fa indrindra miankina amin’ny vahoaka izay lazaina sy sokajiana ho mpampindrana an’izay fahefana izay. Tena izao zava-misy efa tena mampiteny ny moana izao ve ny safidim-piainan’ny vahoaka sy nandrandrainy tamin’ny mpitondra lazaina fa nosafidiany ? Tena izao ve tolona sy fanovana noventesina tamin’ny 2009 nilazana fa hampanana ny ory ? Tsy fotoanan’ny fanetserana intsony izao fa fotoanan’ny fifohazana, fotoana hanavotana hanehoana fa ampy izay,… raha tsy hoe : mbola hisafidy ny hampiakatra ny daozin’ny fahoriana efa mianjady. Isika Malagasy mantsy toa voasokajy ho mahari-pery izay ihany, ka na efa hita fa tsy mety, na efa hita fa voafitaka sy nofahanana lainga, na efa hita fa politikan’ny fanabadoana, na efa iaraha-mahalala fa manararaotra ny fahantran’ny vahoaka aza ny mpitondra,… dia mivadika ho mesia tsy misy pentina rehefa tonga ny fifidianana. Ny halatra mivantana na ankolaka hanodinkodinana ny safidin’ny maro tonga saina moa dia vitavita ho azy eny. Ny fiainana andavanandro tsy misy rano, tsy misy jiro, tsy hanin-kohanina fa misakafo tapa-kibo, tsy misy asa tena mahavelona, tsy mandry fahalemana,… saingy esoin’ny mpitondra ho sambatra na mahantra aza dia manaiky. Mimenomenona kely fotsiny ! Efa zatra tokoa angamba e ! Efa zatra fitahina, efa zatra atao tohatra fiakarana, efa zatra hangalarana, efa zatra atao kely tsy mba mamindro,… Miha zava-doza anefa ny zava-misy, miha tsy misy antoka mazava hatrany ny lalan-kizoran’ny Firenena sy ny ho avin’ny tanaraka. Ny antsika izao mety ho vitavita ihany fa raha izao ve no mbola hitohy sy hotohizana dia aiza no hiafaran’ireo taranaka Malagasy atsy ho atsy ? Mba efa nosain’ny isam-batan’olona ve hoe : hanao ahoana isika afaka 5 na 10 na 15 taona raha izao efa filentehan’ny fiainan’ny isam-batan’olona tena hita taratra any am-bilany izao no hitohy ? Sa hoboriboriana amin’ny hoe : samy mba mizaka ny kapoaka mangidiny eo ka hifandova fahantrana hatrany? Tena tsy fotoanan’ny « io aloha no misy » intsony izao, fa fotoanan’ny fandraisana andraikitra sy fanovana, raha tsy te hifandova fahoriana tsy manam-pahataperana !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT